Antenimieran’ny Raiamandreny Foko Malagasy

«Mila miala ao anatin’ny rafi-panjanahana i Madagasikara»


  • Alatsinainy 10 Martsa 2025

Tsy vitan’olom-bitsy ary tsy vitan’ny eto Imerina irery ny adidy ho an’ny firenena,

hoy ny avy eo anivon’ny ARFM na Antenimieran’ny raiamandreny foko malagasy nandritry ny fihaonana voalohan’izy ireo tetsy amin’ny Arupe Faravohitra ny sabotsy teo. Natomboka tamin’ity anio ity, hoy ny filoha mpandrindra nasionalin’izy ireo, Noel Rakotondrasoa, ny dingana ho fanohizana indray ny tolona. Dingana maromaro efa vita, hoy izy, ny lafiny ara-diplaomasia sy ara-panjakàna satria efa niezaka izahay nanatona ny fitondràm-panjakàna. Efa nisy ny fifampiresahana nanazavàna ny toeran’ny raiamandreny anatin’izao toe-draharaham-pirenena izao. Hanavotra an’i Madagasikara isika ho afaka amin’izao toerana misy azy izao, izany hoe, ny tena iverenan’i Madagasikara amin’ny maha malagasy azy amin’izay. Hatramin’izay isika voarebirebin’ny lainga tsara lahatra nataon’ny frantsay dia nanjary nino hoe mahaleotena i Madagasikara nefa ny saina fotsiny no naverina nahofahofa teto fa ny fahaleovantena tsy nomena. Zavatra hafa no natao tamin’iny 26 jona iny. Natolotra teo ny fisian’ny sehatra ngezabe dia ny hoe Miray hina ho an’ny firenena malagasy. Fivondronana iray natsangan’ny raiamandreny mihitsy io. Ny raiamandreny no miray feo amin’ny Antenimieran’ny foko malagasy. hisy rafitra ho apetraka manerana an’i Madagasikara. Mila miala ao anatin’ny rafi-panjanahana i Madagasikara. Rafi-pirenena malagasy amin’izany no mila apetraka. Malagasy amin’izay no mila mitondra ny tany sy ny fanjakàna sy manangana firenena. Rehefa tapa-kevitra ny malagasy handray an-tanana ny fireneny dia mandeha ho azy izany ary izay no omanina amin’izao. Matoa sahala amin’ireny ny vokatra tamin’ny fifidianana dia tapa-kevitra handray an-tanana ny fireneny ny malagasy. Anjaranay no mitarika ny fanavotam-pirenena! Ny tanora ihany koa dia entanina tsy ho varimbariana fa tena hijery lavitra ny firenena. Hiaraha-mahita izao fa ny gaboraraka no manjaka eto amin’ny firenena. Ny fitondràna mihitsy no niteny tamin’ny namoy ny ainy ny ben’ny tanànan’i Mangataboahangy fa tsy ekena intsony ny gaboraraka eto amin’ny firenena. Misy gaboraraka mangeja an’i Madagasikara eto no dikan’izany. Tokony ho fantarina aloha ny mikasika ny firenena. Mahafantatra ny malagasy ve ny fitondràm-panjakàna? Fantany ve hoe inona no andrasan’ny malagasy aminy? Ny tsy fahafantaran’ny mpitondra an’izay no tsy hahafahany mamaly ny filàn’ny malagasy, hoy hatrany ny ARFM.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

  • Mpanakanto Shyn
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

"Mbola tsy hita ny hazavana"

  • Famelomana ireo tantara
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

an-tsary fahiny

  • Fanavaozana ny Firenena
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

« Mila mifaka amin’ny «

Hijery ny tohiny
FTT