kolontsaina

Antenimieran’ny Andriana Merina “Tsy misy mitsodrano zavatra tsy fantatra izany”


  • Alarobia 05 Oktobra 2022

Ny tenako dia nantsoin'ny tale jeneralin'ny ministeran'ny kolotsaina sy ny serasera, hoy ny mpandrindra ny AAM na “Antenimieran’ny andriana merina”, Rason Rajaoson.

Fanazavana izay zavatra efa tapaky ny fitondrana sy ny ministera no natao taminay, hoy izy. Sarotra aminay ny hanome izany tsodrano nangatahin'izy ireo izany. Amin'ny fomba ahoana no hanomezana tsodrano zavatra tsy fantatrao akory ny votoatiny no tsy nisy akory fifampidinihana, eny fa na dia fanazavana aza tsy nisy. Na ny fomba natao teny amin'ny rova aza dia tsy nisy olona fantatray akory ireo nanatrika teny. Tsara noho izany ny manitsy fa tsy nisy na iray aza tato amin'ny Antenimieran'ny Andriana Merina izay tarihin'ny Profesora Ranjeva ny fanatrehana nisy teny. Ka noho izany disoinay ny filazana fa nanome tsodrano izahay ary ampahafantarinay ihany koa fa tsy tompon'antoka amin'izay zavatra mety hitranga ao anatirova hatrany am-piandohana ka hatramin'izao ny eto anivon'ny Antenimieran'ny Andriana Merina na ny AAM, hoy hatrany tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT