kolontsaina

Antenimieran’ny Andriana Merina Nanao antso avo ho fiarovana ny Rova


  • Zoma 29 Mey 2020

Nanao fanambarana omaly ny avy eo anivon’ny Antenimieran’ny Andriana Merina fa nampivarahontsana ny fivaonan’ny kabarin’ny filoham-pirenena

 

 

 

Andry Rajoelina ny 11 aprily 2020 teo amin’ny ataony ao anatirova ankehitriny. Fananganana Coliseum sady tsy misy ifandraisany amin’ny tantara no tsy misy ifandraisany amin’ny marintrano mikasika ny rovan’Antananarivo ary ilay kabary voalaza teo no mitranga ankehitriny. Mampalahelo fa ny fitokisana ny tenin’ny filoham-pirenena mihitsy no voatohina mivantana ankehitriny, hoy hatrany ny AAM. Voahitsakitsaka ny maha masina ny Rova. Foto-pisainana malagasy ny hoe andry 3 no miantoka ny fahamasinan’ny tany iorenany dia ny fasana, ny lapa, ny vatolahy. Ireo no atao hoe Kaodrazana na Fatrange any Atsimo-atsinanana ka ny mpiadidy dia tsy tompony velively fa mpanasina. Te hilaza ve, araka izany, ireto Andriana ireto fa tsy nanao ny adidy fanasinana ny rova ny fitondrana? Nilaza moa ny AAM fa efa nampitandrina ny fitondrana nanoloana io tranga ankehitriny io ny rehetra hatramin’ny sehatra iraisampirenena ka manao antsoavo ho fiarovana ny Rova noho izany izy ireo.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT