kolontsaina

Antenimieran’Andrianan’Imerina Mila averina ny hasin’ny olona


  • Talata 09 Janoary 2018

Nifamory voalohany teto Antananarivo tamin’ity taona ity ny sabotsy teo ireo Raiamandreny ara-drazana mivondrona ao anatin’ny Antenimieran’Andrianan’i Merina (AAM).

 

 Antony, raha ny fanazavana, dia noho ny fahamehana amin’ny tokony hikatsahana vahaolana hamerenana haingana ny hasin’ny olona. Miha latsa-danja hatrany mantsy amin’izao fotoana izy io. Tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asan’izy ireo ny hanangana ny lapan’andrianan’Imerina, raha ny fanazavana hatrany. Tsy ho an’ny eto Imerina ihany anefa no ilana ny fanarenan-kasina fa manerana ny nosy. Ezahana koa ny hametrahana manerana ny nosy ny Antenimieran’ny olobe eto Madagasikara. Ireo Raiamandreny ara-drazana toy ny Ampanjaka sy Tangalamena no tonga niatrika ny fihaonana. Hanomboka indray ve ireo adihevitra sy hetsika isan-karazany tsy nety nampiravona marina akory ny tena Fihavanana malagasy fa zary vao mainka aza nampifandrirotra sy nampitompo teny fantatra ireo fikambanana izay samy te hametraka fa ny azy ireo ihany no tena izy ? Dia mbola hisy karazana taom-baovao malagasy samy manana ny azy hatrany ve sa mba ho tokana kosa amin’izay ?

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT