kolontsaina

Antananarivo Renivohitra Nitsangana ny fakan-kevitra ara-kolontsaina CCCA


  • Alakamisy 19 Novambra 2020

Tafatsangana soamantsara omaly 17 novambra ny CCCA na « Conseil consultatif Culturel pour Antananarivo ».

 

 

Fiaraha-midinika iarahana amin’ireo olom-pirenena rehetra izay misehatra ao anatin’ny tontolon’ny Kolontsaina, mba ahafahana mametraka ny politika iraisana ho fampiroboroboana sy ho fanomezan-danja ny Kolontsaina eto Antananarivo io, raha ny tatitry ny ben’ny tanàna. « Misaotra anareo rehetra tonga maro, namaly ny antso, ary maneho ny fahavononana sahady ho mpikambana ao anatin’izany CCCA izany. Ireo vakoka sy harem-pirenena malagasy hatrizay, ireo fahaiza-manao sy ireo talenta maro samihafa no mampiavaka ny Malagasy sy ny Tanànan’Antananarivo. Izany rehetra izany no harena voalohany indrindra ho an’ny Tanàna iray. Ny Tanàna mitsinjo ny tantarany sy ny kolontsaina ao aminy no manana fandrosoana vanona. Anjarantsika no mandray an-tanana ny kolontsaina tiantsika hampitaina ho an’ny Taninjanatsika” hoy ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina.

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT