kolontsaina

Ankizy hoavin’ny firenena Omanina dieny izao


  • Alakamisy 08 Jona 2017

Naseho sy nalefa ho fanta-bahoaka omaly teny amin’ny hotely Ibis Ankrondrano ilay hira fanevan’ny « iray volan’ny ankizy » amin’ity taona 2017 ity izay mitondra ny lohateny hoe :

  « Tontolon’ny ankizy ». Tany am-piandohana dia i Mireille no nihira azy io, hira noforonin’i Noël Rakotoarivony ary nohavaozin’i Mamy Gotso ka nampihiraina ireo ankizy manan-talenta notsongaina avy amin’ireo karazam-pifaninana tamina haino aman-jery teto Madagasikara. Tsy maintsy homanina sy hofanina dieny izao ny ankizy satria izy ireo no hoavin’ny firenena sy hoavin’izao tontolo izao amin’ny 2030, araka ny efa nambaran’ny minisitry ny mponina Onitiana Realy nandritra ny fivorian’ny firenena mikambana tany New York tamin’ny 2015 ary nohamafisiny omaly. Mifanaraka amin’ny vina sy tanjon’ny ODD (objéctifs de développement durable) izay manana tanjona hanafoana ny fahantrana, hiaro izao tontolo izao sy hanome fiainana milamina ho an’ny rehetra, napetraky ny firenena mikambana ny 25 septambra 2015 izy ity. Ho lasa olobe, manampahaizana, mpampianatra, injeniera, mpanao politika eto amin’ny firenana any aoriana any ny ankizy miaina amin’izao fotoana ka noho izany mila fanohanana sy fanofanana ary fampianarana. Miezaka mafy amin’io ny minisiteran’ny mponina amin’ny alalana tetikasa maro samihafa tohanan’ireo mpamatsy vola. Eo ohatra ny tambajotra miaro ny ankizy izay efa manana masoivoho 765 manerana an’i Madagasikara. Mifanome tanana ao anatin’io ny minisiteran’ny mponina, fanabeazam-pirenena, fitsarana, ny filaminam-bahoaka ary ny Unicef. Tanjona ny fanafainganana ny fampitam-baovao momba ny herisetra mianjady amin’ny ankizy sy ny olana hafa mba hahafahana manome vahaolana ara-potoana sy araka ny zava-misy marina. Aoka isika ho mailo, aoka isika ho tompon’andraikitra hatrany amin’ireo zanatsika ireo, hoy ny minisitra Onitiana Realy ka tsy hisalasala hilaza ny tsy mety, hamaky bantsilana ny tsy rariny ary hitaky ny fampiharana ny zo sy ny didy aman-dalàna. Mbola maro be moa ny hetsika hokarakarain’ny minisiteran’ny mponina sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy mandritra ity volana jona, volan’ny ankizy ity.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT