kolontsaina

Angaredona andiany faha 16 Hatao any Toamasina ihany


  • Talata 12 Oktobra 2021

Mafy ny fiantraikan’ny valanaretina manerana izao tontolo izao ary isan’ny voakasik’izany ny tontolon’ny zavakanto sy ny kolontsaina,

 hoy ny fanazavana voaray tetsy amin’ny Campus Telma Andraharo omaly, mikasika ny fikorontanan’ireo tetiandron’ireo hetsika ara-kolontsaina eto Madagasikara izay nahemotra ny ankamaroany. Ny volana jona ny tompon-kevitra tamin’ny Festival Angaredona dia ilay andrarezin’ny fitendrena valiha Malagasy, Rajery, no efa nampahafantatra fa hatao any Toamasina ity hetsika natao hanandratratana ireo mozika velona eto Madagasikara ity. Ho tontosaina any an-toerana ihany izany ny 21 hatramin’ny 24 oktobra izao. Handray anjara avokoa ireo mpanakanto misolo tena ny foko miisa 18. Nofidiana manokana ny renivohitr’I Betsimisaraka satria fiposahan’ny masoandro any atsinanana ary renivohitra ara-toekarena Malagasy koa any. Ny orinasam-pifandraisan-davitra Telma kosa no hisahana ny serasera ilaina rehetra hampitana ny hetsika ho ren’izao tontolo izao, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT