Andro manerantany ho an’ny

kolontsaina afrikanina Kolontsaina


  • Alatsinainy 26 Janoary 2026

velona mira firenena velona

Tontosa ny sabotsy teo ny andro manerantany ho an’ny kolontsaina afrikanina sy ny taranak’i Afrika na «Journée mondiale de la culture africaine et afro descendante». Anisan’ny nankalaza izany ny malagasy amin’ny maha afrikanina azy, hoy ny fampitàm-baovao voaray. Manana kolontsaina, fomban-drazana ary soatoavina manankarena navelan’ny razantsika isika, hoy ny filohan’ny Hasin’ny Zazamanga, Sarobidy Rakotondravao. Ny kolontsaina no maha-firenena ny firenena, hoy izy. Tsy misy firenena raha tsy misy kolontsaina. Raha very ny kolontsaina, very ny maha-izy azy ary very lalana ny ho avy. Ny kolontsaina malagasy, ny fihavanana, fanajana ray aman-dreny sy razana, hasina, firaisankina dia anisan’ny andry lehibe iorenan’ny kolontsaina afrikanina. Tsy fomba lany andro ireo fa fahendrena sy hery nentin’ny razana nampijoro ny firenena. Na dia hita aza ankehitriny fa maro no tsy manome lanja intsony ny kolontsaina dia tsy tokony hangina isika fa ny fandrosoana tsy miorina amin’ny kolontsaina dia fandrosoana marefo sy tsy maharitra. Amin’izao andro manan-danja izao dia antso mazava ho an’ny malagasy rehetra. Omeo lanja ny kolontsainao, arovy ny fomban-drazanao, ampitao amin’ny taranaka ny lova navelan’ny razana! Malagasy isika. Afrikanina isika. Tompon’ny kolontsaina isika. Kolontsaina velona no mira firenena velona, hoy hatrany ny hafatr’ireo mpitàna ny kolontsaina sy fomba malagasy niara-nankalaza ity andro manerantany ity teny Malakialina, tampon’Ambohimahitsy iny sabotsy 24 janoary lasa teo iny.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT