kolontsaina

Andro manerantany ho an’ny fizahantany Hisy fifaninanana sary


  • Alakamisy 28 Septambra 2017

Ho fankalazana ny andro manerantany ho an’ny fizahantany, ny masoivoho Amerikanina eto Madagasikara, ny USAID Madagasikara ary ny minisiteran’ny fizahantany dia mampanao fifaninanana sary izay hatao sary karatra, mitondra ny lohateny hoe : “Ny hakanton’ny voary eto Madagasikara”.

 

 Tsy mihoatra ny folo (10) isa ka ny mpandray anjara ny sary mifaninana, sary tsara kalitao no alefa ary sary nalaina teto Madagasikara, ka amin’ny 16 oktobra raha ela indrindra ny fara fandraisana anjara. Hisy mpitsara hifantina ny sary folo (10) tsara indrindra, izay hatao printy sy hampirantiana ao amin’ny American Center Tanjombato, eto Antananarivo. Sary telo no hotsongaina, havadika sary karatra ka hozaraina manerana ny Nosy. Hitondra hafatra ny sary karatra tsirairay, mikasika ny fanondranana zavaboary an-tsokosoko sy ny maha zava-dehibe ny fikajiana ny hakanto sy ny fiarovana ny karazana sy ny fonenany. Hahazo mari-pankasitrahana sy loka samy hafa avy amin’ny Masoivoho, ny USAID ary ny minisitera ny mpandresy.  Tsy natao hanandratana ny talentan’ny mpaka sary eto Madagasikara ihany ny fifaninanana fa natao indrindra koa hanaraina ny saim-bahoaka amin’ny fiantraikan’ny fanondranana zavaboary an-tsokosoko. Hampirisika ny mpizahatany ihany koa mba tsy handray anjara amin’ny varotra tsy manara-dalàna.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT