Andro iraisam-pirenena ho an’ny teatra anio

“Sady fialam-boly no fanabeazana, nahatafita tanora maro”


  • Alarobia 27 Martsa 2024

Araka ny rafitra iraisam-pirenena momba ny tantara an-tsehatra na teatra dia isaky ny 27 martsa

tahaka izao no natokana ho andro iraisam-pirenena momba ny teatra. Misy foana ny hafatra ampitaina, ka ny IIT (Institut International du Théâtre) no mifidy izay mampita azy, ka Madagasikara dia anisan’ny nanangana IIT Madagascar tamin’ny alalan’ny Fikambanana mpanao teatra Malagasy izay tarihiko, hoy Atoa Mbato Ravaloson, andrarezin’ny teatra. Lohahevitra nampitondraina ny fankalazana ho an’ity taona ity ny hoe: “l’art c’est la paix” na “Fandriampahalemana ny zava-kanto” ka soatoavina ao anatin’izany ny fisian’ny zavatra samihafa eto amin’izao tontolo izao, kanefa ny fahatsarany sy ny fananany toetra mahagaga dia zava-kanto. Amin’ny alalan’ny zava-kanto no isan’ny ahafahana mametraka fandriampahalemana eto amin’izao tontolo izao, ary tsy ny teatra ihany fa ny karazana zava-kanto rehetra. Ny zava-kanto ihany koa dia tsy manao izay mampitovy azy aza, kanefa ny fahasamihafa dia lasa fitaovana indray. Isaky ny 27 martsa, dia matetika izay alahady manakaiky an’io no hanaovana fampisehoana, fa amin’ity noho izy alarobia, andro tsy fianaran’ny mpianatra ny hariva, noho ny fiaraha-miasa amin’ny Alliance Française, dia nangataka ity rafitra ity ny hanaovana izany ny alarobia hariva izao eny amin’ny AFT Andavamamba. Hiaka-tsehatra amin’io ireo mpianatra Malagasy roa nampianarina izany dia ny Sakaizan’ny Teatra Malagasy Lisea Rabearivelo sy ny Fanilon’ny Teatra (Lisea Maoderina Ampefiloha) no hiaka-tsehatra. Tantara fisehatra 4 no holalaovina, ka misy ny nosoratan’I Mbato Ravaloson, ary misy ny noforon’ireo mpianatra. Manentana ny tanora Malagasy hirona amin’ity kolontsaina ity ny fikambanana. Manana ny maha izy azy ny teatra, ny zava-misy amin’izao fotoana izao, efa maro ny sekoly mangataka hampiofanina izany, ny sarimihetsika Malagasy dia betsaka ireo tanora nofanina tamin’ny teatra, misy ny lasa any an-ampitan-dranomasina,... Sady fialam-boly no fanabeazana ny teatra, saingy ny olana amin’izao dia ny toerana antsoina hoe “Teatra” toy ny “Teatra monisipaly Isotry” no tsy misy intsony ka tokony haverina, hoy hatrany Atoa Mbato Ravaloson.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT