kolontsaina

Andro Fandroana teto Imerina Naverin-kasina teny Ambohimanga


  • Talata 20 Martsa 2018

Efa nifaneken’ireo Mpanjaka sy Raiamandrenin-drazana manerana ny lafivalon’ny nosy nandritra ny vovonana notanterahina teny Ambohimanga tamin’ny volana septambra 2017 tamin’ny taon-dasa ny hamerenan-kasina ny fomba maha gasy ny Gasy ka notontosaina teny amin’ity toerana ity ny alahady 18 martsa teo,

 

 ny famerenan-kasina ny « Andro Fandroana » teto Imerina. Tsy nisy nohadinoina fa naverina avokoa ireo fanao rehetra  hatramin’ny andron’Andrianampoinimerina Mpanjaka. Nisy, araka izany, ny  fisoronana omby volavita sy famerenan-kasina an’ireo fanaka masina avy amin’ireo tendrombohitra 12 manjaka eto Imerina. Nisy solontenan’ireo mpanjaka sy solontenam-poko avy amin’ny faritra nanatrika an’ity lanonana ity ka nizara hasina sy Jaka nifanomezam-boninahitra izy ireo rehefa avy niara-nihinana ny vary amin-dronono notondrahan-tantely sy nihinana ny mofomamy koba izay tena an’ny Gasy tokoa. Nambaran-dRandrianatoandro Robert mpitahiry ny hasim-piandrianana eny Ambohimanga nitarika ny fotoana fa tena nila naverin-kasina ireo fomba sy kolontsaina voazimbazimba tamin’ny andron’ny fanjanahantany. Fomban’ny Merina manokana ny fandroana, hoy izy  ka tsy tokony hifanerena ny Gasy rehetra amin’ny fankalazana azy ny andriana sy mpitahiry hasim-piandrianana eto Imerina sy manerana ny nosy. Tsara homarihana anefa fa fety ara-kolontsaina sy ara-tsosialy ary ara-toekarena mahakasika ny fiainan’ny Gasy rehetra ny « Andro Fandroana ».

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT