kolontsaina

Andrarezin’ny jazz Malagasy Notolorana mariboninahitra i Fanaiky


  • Alatsinainy 28 Martsa 2022

Notanterahina ny harivan’ny zoma teo tetsy amin’ny Ivokolo Analakely ny seho sehatra nokarakarain’ny minisiteran’ny kolontsaina sy ny serasera amin’ny alalan’ny OFNAC ho fankalazana ny faha-35 taona

 niakaran’i Fanaiky an-tsehatra. Hetsika natao ihany koa hanampiana azy amin’ny fitsaboan-tena izay mbola ataony izay, hoy ny fampitam-baovao. Nomen'ny minisitera azy maimaim-poana, araka izany, ny Ivokolo ho an'ity hetsika fanohanana azy ity. Nandritra io lanonana io no nanondrotana an’i Fanaiky na i Rasolomahatratra Ny Herivelona Fanaiky amin’ny laharam-boninahitra “Commandeur de l’Ordre des Arts, des Lettres et de la Culture”. Ny minisitra Lalatiana Andriatongarivo izay filohan’ny filankevi-pirenen’ny mariboninahitry ny kanto, ny soratra ary ny kolontsaina amin’ny maha minisitra misahana ny kolontsaina azy no nanolotra izany. Ny gitara beso no tena nahalalana an’i Fanaiky ary isan’ireo andrarezin’ny jazz malagasy izy. Efa nitondra avo ny mozika Malagasy tany Afrika, Eoropa ary Amerika i Fanaiky, hoy hatrany ny fanampim-panazavana.
J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT