kolontsaina

Anaty rovan’Antananarivo Tandindomin-doza ny maha vakoka azy


  • Talata 26 Mey 2020

Ny gazety iraisam-pirenena frantsay, Le Monde, no namoaka omaly, fa miteraka fifanolanana eo amin’ireo mpahalala momban’ny vakoka malagasy ny zava-manjo ny anaty rovan’Antananarivo ankehitriny.

 

 

Tandindomin-doza ny filaharan’ity vakoka iraisampirenena ity eo anivon’ny rafitry ny firenena mikambana na Unesco, raha ny voalaza. Toeram-pilalaovana teatra mahazaka olona miisa 400 vita amin’ny lasi-tsimenitra [beton] no natsangana maika nanomboka ny volana martsa eo amin’ny toeram-pilomanosan’ny mpanjaka Andrianampoinimerina, izay ara-tantara, dia misy fombafomba tokony hatao mialohan’ny hikitihana azy fa raha tsy izany dia hitera-doza ho an’ny firenena. Ankoatra ny maha toera-mana-tantara azy dia manan-kasina teo amin’ny malagasy ihany koa ny rova, hoy hatrany ny tati-baovaon’ity gazety ity.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT