kolontsaina

ANAC ao Ambohitsorohitra Henjehina ho vita ao anatin’ny 3 volana ny asa


  • Alarobia 21 Jona 2023

Nilaza ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy omaly 20 jona teo anatrehan’ny loholona,

fa nahitana vahaolana ny fiatoan’ny asa fanamboarana ny Akademiam-pirenen’ny Zava-kanto sy Kolontsaina (ANAC), izay napetraka ao anatin’ny faritry ny Lapan’Ambohitsorohitra. Nambara fa ny fisiana asa fanampiny (travaux complémentaires) no nampiato ny asa. Nidangana loatra ny tombam-bidin’io asa fanampiny io ka niteraka fifandonana, raha ny fanazavana. Nambara fa taorian’ny fitsirihana nataona manam-pahaizana manokana (Experts) dia niditra an-tsehatra tamin’ny fandaminana ny fanapahan-kevitra noraisina ny Filohan’ny Repoblika. Niaingana tamin’ny dinika an-databatra tamin’izany ny lalàna milaza fa tsy tokony hihoatra ny 30 isan-jaton’ny tombam-bidin’ny tetikasa tamin’ny fototra ny asa fanampiny. Efa miverina amin’ny laony ankehitriny ny fanamboarana ny ANAC etsy Ambohitsorohitra, ka ny 85%n’ny asa no efa vita. Tokony ho vita ao anatin’ny 3 volana io 15% io araka ny vinavina, hoy io Minisitra io. Tsy sambany amin’ny fotodrafitrasa natomboka nisy olana, saingy hanaovana serasera fa hovitaina haingana io. Nanaitra, ohatra, ny filazana tao anatin’ny tatitry ny filankevitry ny Minisitra ny 13 jona teo, fa hisy fikitihana ny tetibolan’ny Minisiteran’ny fahasalamana mba hamitana ireo hopitaly marana-penitra 13 natomboka ny 2019, 15 natomboka ny 2022, CSB manodidina ny 40,… Angaha tsy vao tany am-piaingana dia efa nazava ny tetibola sa ny fanombohana no zava-dehibe fa eny an-dalana mahita ny tohiny? Ny inona no ampandeferina ahafahana mandefa vola any amin’ireny?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT