kolontsaina

Ampanjaka Rabelalao “Tsy nasondrotra hanao politika fa hitondra ankohonana…”


  • Alarobia 24 Novambra 2021

Ny 17 novambra teo no nosorana ho Ampanjaka tany Vohipeno ny mpanao gazety Rabelaolao. Nasondrotra ho Andriambe,

izany hoe izy izany no lehiben’ny fianankaviana Antemoro Zafirambo any amin’izay toerana ipetrahany, dia Ambatofinandrahana, izay tanàna nanabe sy maha valovotaka azy. Nanaraka ireo fomba samihafa araka ny fombafomba ara-drazana, manaraka ny riba sy kolontsaina Antemoro. Olona marobe nahitana ireo Ampanjaka, Raiamandreny ara-drazana sy ara-piarahamonina,… no nanome voninahitra azy. Maro no nifanotrona hanatitra azy tany tao Ambatofinandrahana, saingy nisy ny karazana antsojay, ka voatonona ho tao ambadik’izany ny manam-pahefana iray, Filohana andrim-panjakana manana fihaviana avy any an-toerana, hoy ny fampahalalam-baovao iray. Tsy zanak’Amoron’i Mania anefa no entin-dRabelalao fa ny zanaka Antemoro Zafirambo mipetraka any Ambatofinandrahana. Tsy Mpanjakan’Ambatofinandrahana noho izany izy. Tsy hanao politika no nanondrotana azy ho Mpanjaka fa hitondra ankohonana, filaminana ary fandriampahalemana. Nanotrona ny lanonana izany ny namana sy ny fianankaviana sy delegasiona maro avy aty Antananarivo nahitana ny Sekretera nasionalin’ny Arema, izay antoko nibeazany ara-politika ankoatra ny maha mpanao gazety an’i Rabelalao. Izay resaky ny olona any resany, hitazona ny bako, hitazona sy hampianatra ny fomba ary hitazona sy tantara amin’ny fianakaviana, mba tsy ho angano, hoy ity Ampanjaka ity.
Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT