kolontsaina

Ampanjaka eto Madagasikara Hanorina tranombakoka manerana ny nosy


  • Alarobia 19 Aprily 2017

Afa-po tamin’ny fampirantiana fampahafantarana ny kolontsaina sy ny vakoka Mahafaly teny amin’ny tranombokim-pirenena Ampefiloha ny FCRTM (Fédération des Communautés Royales Traditionnelles de Madagascar).

 

 Hetsika fanentanana sy fiantsoana ny mpiray tanindrazana sy ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika, ara-bola sy ara-pitaovana amin’ny fanavaozana ny mozea Mahafaly ao Ampanihy izy io. Minisitera maro no nilaza hanohana amin’ny famitana tanteraka ity tranombakoka ity. Toraka izany ny fikarohana mpamatsy vola sy mpiara-miasa nampanantenain’ny lehiben’ny delegasionin’ny vondrona eoropeanina Jean Claude Boidin nandritra ny fitsidihana nataony tany an-toerana ny taona 2008, hoy ny filohan’ny fikambanana ny printsy vavy Zoendreniny Elakovelo Etsiosa. Manodidina ny 400 tapitrisa ariary hatreto ny tetibola ilaina hamitana ny tranombakoka mirakitra ny fomban-drazana Mahafaly. Tanjon’ny federasionin’ny Ampanjaka eto Madagasikara moa ny fanabeazana sy fitaizana ny tanora miaraka amin’ny fiarovana ny kolontsaina sy ny vakoka Malagasy ho fampandrosoana ny firenena. Fanamby napetrak’ity farany nandritra ny kongresy nasionaliny kosa ny fananganana ireo mozea fitahirizam-bakok’ireo foko 18 manerana ny nosy.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

  • Mpanakanto Shyn
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

"Mbola tsy hita ny hazavana"

  • Famelomana ireo tantara
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

an-tsary fahiny

  • Fanavaozana ny Firenena
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

« Mila mifaka amin’ny «

Hijery ny tohiny
FTT