kolontsaina

Ampanjaka eto Madagasikara Hanangana tranombakoka manerana ny nosy


  • Talata 18 Aprily 2017

Afa-po tamin’ny fampirantiana fampahafantarana ny kolontsaina sy ny vakoka Mahafaly ny herinandro lasa teo teny amin’ny tranombokim-pirenena Ampefiloha ny FCRTM (Fédération des Communautés Royales Traditionnelles de Madagascar).

 

 Hetsika fanentanana sy fiantsoana ny mpiray tanindrazana sy ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika, ara-bola sy ara-pitaovana amin’ny fanavaozana ny mozea Mahafaly ao Ampanihy izy io. Minisitera maro no nilaza hanohana amin’ny famitana tanteraka ity mozea ity. Toraka izany ny fikarohana mpamatsy vola sy mpiara-miasa nampanantenan’ny lehiben’ny delegasionin’ny vondrona eoropeanina Jean Claude Boidin nandritra ny fitsidihana nataony tany an-toerana ny taona 2008, hoy ny filohan’ny fikambanana ny printsy vavy Zoendreniny Elakovelo Etsiosa. Manodidina ny 400 tapitrisa ariary hatreto ny tetibola ilaina hamitana ny tranombakoka mirakitra ny fomban-drazana Mahafaly. Tanjon’ny federasionin’ny Ampanjaka eto Madagasikara moa ny fanabeazana sy fitaizana ny tanora miaraka amin’ny fiarovana ny kolontsaina sy ny vakoka Malagasy ho fampandrosoana ny firenena. Fanamby napetrak’ity farany nandritra ny kongresy nasionaliny kosa ny fananganana ireo mozea fitahirizam-bakok’ireo foko 18 manerana ny nosy.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT