kolontsaina

Ambohimanga Rova Mitady tale vaovaon’ny ofisin’ny harem-bakoka


  • Talata 10 Novambra 2020

Zava-dehibe ny fikajiana sy fampiroboroboana ny kolontsaina satria maneho ny maha izy azy ny firenena iray, rohy amin`ny taranaka ho avy ary foto-pivelomana.

 

 

Voasokajy ao anatin` ny kolontsaina ny harem-bakoka satria haren-tsain` ny olombelona no namokarana azy ireo. Azo atao tsara ihany koa ny mampandroso ny firenena amin`ny alalan`ny kolontsaina sy ny harem-bakoka. Manoloana izany indrindra dia manao tolotr`asa ho an`ireo izay liana amin` ny fitantanana ny Rovan` Ambohimanga ny ministeran` ny serasera sy ny kolontsaina. Hisahana ny fametrahana ny politikan` ny fampiroboroboana ny fizahan-tany sy ny vokatra misy ao aminy ny talen` ny ofisin` ny harem-bakoka eny amin`ny vohitra Ambohimanga Rova (OSCAR). Tafiditra ao anatin` ny fampiroboroboana ny fizahan-tany anatiny moa ny fampandrosoana ny firenena amin` ny alalan` ny ny kolontsaina sy ny harem-bakoka.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT