kolontsaina

Ambatomainty Ambatondrazaka Nirava maina ny seho Bolo Pix sy Jean Aimé ary Mijah


  • Alarobia 28 Oktobra 2020

Fatiantoka tsy roa aman-tany ny an’ny mpikarakara fampisehoana, nikasa hampiakatra an-tsehatra an’i Bolo Pix sy Jean Aimé tao Ambatomainty andaniny sy ankilany i Jean Aimé sy Mijah tao Manakambahiny.

 

 

 

Samy tokony ho natao tamin’ny alahady 25 oktobra daholo ireo seho ireo saingy tsy nisy tanteraka na efa nahazo fahazoan-dalana tamin’ny Ben’ny tanàna isany, OMDA, fa ny tao amin’ny Prefektora no nanakana. Fanina ny mpandraharaha mpikaraka fampisehoana, ary mametra-panontaniana hatraiza ny fampiharana ny fanapahan-kevitry ny fanjakana manome alalana ny artista hanao fampisehoana toy ny ao amin’ny Coliseum izay mahazaka olona an’aliny fa manaja elanelana amin’ny fepetra ara-pahasalamana, nefa sakanana tsy hifety ny olona any ambanivohitra. Roa andro nisesy talohan’io rahateo anefa dia nisy famoriam-bahoaka hatrany tao Ambatondrazaka. Teo ny fitsidihana nataon’ny filoham-pirenena narahina fizarana « Vatsy Tsinjo » tao amin’ny Kianja Rasolonjatovo, ny zoma 23 oktobra. Ny ampitson’io, sabotsy 24 oktobra indray dia nisy koa ny famoriam-bahoaka nanaovan’ireo depiote TIM tatitra tamin’ny vahoaka, niaraka tamin’ny Vondrona Panorama.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT