Ny orinasa Allo Sakafo ihany hatreto no hany orinasa afaka mamaly ny filàn’ny olona sahiraa nefa te-hihinana sakafo ara-pahasalamana sy mafilotra.
Ny volana Novambra taona 2016 no niforona ity orinasa iray ity. Antom-pijoroany ny fahitàna ny fahasahiranan’ny olona amin’ny fitohanana sy ny olana ara-potoana ka tsy ahafahan’izy ireny mikarakara sakafo na mamonjy toera-pisakafoanana. Nitsiry avy hatrany ny hevitra taorian’izany ka natsangana ny Allo Sakafo.
MAMPIAVAKA AZY
Mampiavaka ny Allo Sakafo ny fanaterana sakafo tsara sy ara-pahasalamàna any amin’ny toerana rehetra misy ny mpanjifa ho fitsinjovana azy ireny. Tsotra ny fomba fiasany.Miantso ny laharana 033 33 300 30 na 034 11 300 30 ny mpanjifa iray ary miteny ny kaomandiny. Alain’ilay mpandray antso an-tarobia avy hatrany ny adiresy na ny toerana hanaterana ny sakafo aorian’izany ary tehiriziny tsara ilay laharana telefaonina niantsoan’ilay mpanjifa mba hahafahana miantso ity farany indray rehefa tonga ny sakafo. Marihina moa fa ora iray sy fahefany aorian’ny komandy no tokony ho tonga ny sakafo, fandaharam-potoana efa nalamina mihitsy. Ny antony dia ny mba hahafahana mampiditra ireo tanàna lavitra toa an’Ivato, Sabotsy namehana, ho mpahazo tombontsoa ihany koa. Mampiavaka ny Allo Sakafo ihany koa ireo karazan-tsakafo misy ao aminy. Anisan’izany nem fruit de mer (6 pces) amin’ny sarany 8.000 Ar, ny beignet de crevette (10 pces) 7.000 Ar, ny boulette de fruit de mer (10 pièces) 8.000 Ar, ny akoho gasy roti 15 .000 Ar, ny Poulet laqué, ny Steak pané/grillé izay tena ngeza dia ngeza amin’ny sarany 8.000 Ar, ny cochon de lait, ny tsa tsiou….
MANOMBOKA AMIN’NY 10 ORA SY SASANY
Manomboka amin’ny 10 ora sy sasany ny fanaterana ny sakafo isan’andro. Mitohy amin’ny 11 ora sy sasany izany, amin’ny 12 ora sy sasany, ary amin’ny 1 ora sy sasany folakandro. Mielanelana kely indray izany, dia manomboka amin’ny 03 ora folakandro ny hariva, amin’ny 04 ora, amin’ny 05 ora, amin’ny 06 ora, amin’ny 07 ora ary amin’ny 08 ora alina ny farany.Na izany aza anefa dia misy ny livraison express, izany hoe : tsy manaraka anio grille io fa latsaka kely 45mn miaraka amin’ny fanamboarana ny sakafo. Mikasika ny saran-dalana hanaterana ny sakafo kosa dia noferana ho 2.000 Ar raha eto an-drenivohitra sy manaraka ilay grille, ary 4.000 Ar raha express ka môtô no hanaterana ny sakafo. Rehefa maharay ny sakafo ny mpanjifa vao mandoa ny sarany rehetra amin’izany.
MIEZAKA NY MANAKAIKY NY MPANJIFA HATRANY
Mikasika ilay resaka tamin’ny facebook momba ny Allo Sakafo tamin’ny faran’ny taona lasa teo dia tsy mitsahatra ny mitondra fanazavana ny tompon’andraikitra ho an’ny mpanjifany.Vao niforona mantsy ny orinasa tamin’ireny fotoana ireny izay mbola azo lazaina hoe “zaza mandady” ihany tamin’izany satria tsy mbola nianatra nandeha akory. Betsaka ary tsy araka ny noeritreretina anefa ny olona niantso nanao kaomandy taminy izay nahatratra hatrany amin’ny 2.000 isa. Ny fanirian’ny tompon’andraikitra anefa dia ny hanome fahafaham-po ny tsirairay kinanjo tsy naharaka ireo fitaovam-pitaterana teo am-pelatanany no sady nisy ihany koa nisy koa ireo entana lany tampoka tokony handrahoina. Anisan’ireny ohatra zana-kisoa nanaovana “cochon de lait” antony nampikorontana kely ny orinasa. Nisy araka izany ireo kaomandy sasany tsy voaatitra ka nahatonga ny orinasa tsy nitsahatra ny nanoratra ny fialan-tsiny tamin’ny serasera ho an’ireo izay tena tratry io olana io.Vao omaly ohatra dia mbola nisy nampahatsiahy mikasika azy io ny tompon’andraikitra ary dia namaly izany hatrany tamin’ny alalan’ny fialan-tsiny sy ny fanazavana.Manome toky antsika hatrany moa ny Allo Sakafo fa tsy hiverina intsony mihintsy ny zava-niseho tamin’ny faran’ny taona 2016 teo satria efa maro ny fanavaozana natao toy ny fametrahana logiciel fandraisana kaomandy, ny fitantanana ny fanaterahana ny sakafo, ny fanampiana ny fitaovam-pitaterana, ny fiaraha- miasa amin’ireo mpamatsy akora tena matihanina….
ZAVA-BAOVAO
Tsiahivina moa fa nitondra zava-baovao be ho antsika mpanjifa ny Allo Sakafo. Efa misokatra ny point Allo sakafo eto an-drenivohitra, ivon-toerana miara-miasa akaiky amin’ireo toerana efa misy sy malaza eto amintsika mba hametrahan’ny mpanjifa ny sakafony ao sy ahafahan’izy ireo mipetraka sy misafidy tsara ireo sakafo tiany hohanina. Mametraka mpahandro any amin’ireo toerana ireo Allo Sakafo ary mitovy tsy misy valaka amin’ ireo sakafo aterina any an-tokantrano na any amin’ny orinasa ny sakafo any amin’reo toerana . Tafiditra ao anatin’izany ny tsirony sy ny vidiny. Ny tanjona dia ny mba hanakaikezana hatrany ny mpanjifa hatrany. Anisan’izany ahitana izany ny ao amin’ny Club 43 Antaninarenina miasa mandritra ny herinandro tsy miato, 24 ora amin’ny 24 ora, ny Trass eny Tsiadana isaky ny talata sy zoma amin’ny 10 ora atoandro ka hatramin’ny 10 ora alina ary ny Mad délice eny Ampefiloha izay miasa mandritra ny herinandro tsy miato ihany koa, manomboka amin’ny 07 ora hariva.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.