kolontsaina

Alahamady Hankalazaina rahampitso sabotsy 23 mey


  • Zoma 22 Mey 2020

Na dia ao anatin’ny fahasahiranana noho ny ady atao amin’ny covid-19 aza isika amin’izao fotoana izao ka miatrika ny fepetra noraisina amin’ny tsy fahazoana

 

 

 

mamory olona dia tsy afaka hanary ny fomba sy soatoavina Malagasy efa notanterahina hatramin’ny andron’ny mpanjaka Ralambo ka notohizana tamin’ny andron’ny mpanjaka Andriamasinavalona ary mbola tanterahina hatramin’izao andro iainantsika izao izahay Zanadranavolona eny Anosimanjaka, hoy ny filohany Ravelonarivo Alain Eddie notronin’ny andriana Rabesata Arima teny amin’ny fitafatafana tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny toeram-piasany teny Ampefiloha tamin’ny alarobia 20 mey lasa teo. Koa satria, hoy izy, araka ny tetiandro dia amin’ny zoma 22 mey 2020 amin’ny 9 ora latsaka fahefany alina ho avy izao manerana an’izao tontolo izao no ho tsinanana ny volan’ny Alahamady amin’ity taona 2020 ity dia amin’ny sabotsy 23 mey 2020 izany no hanamarihana ny taom-baovao eto Imerina amin’ity taona ity koa dia efa faly miarahaba dieny izao sahady ny vahoaka rehetra izahay fikambanan’ny Zanadranavaolona Anosimanjaka tarihako, hoy ity filoha ity, ho tratran’izany Asaramanitra izany ka hitondra soa hoan’ny rehetra anie ity taona vaovao ity. Hiezaka ary izahay Zanadranavalona ny ankalaza izany Taombaovao eto Imerina izany saingy tsy hamory vahoaka kosa fa hamporisika ny olona samy hankalaza izany any an-tranony avy. Marina, hoy ity filohan’ny fikambanana Zanadranavolona ity, fa efa nisy ny fifanarahan’ny rehetra hankalazana miaraka isaky ny volana septambra ny Taombaovao iombonanan’ny Malagasy nefa dia mbola mitazona ny fomba anay manokana koa izahay eny Anosimanjaka. Tsy noforonina akory izany Alamady izany, hoy ny andriana Rabesata Arima, fa efa fomba voadiniky ny Ntaolo hatramin’ny 623 taona lasa izay ary taona hafakely sy hafa indrindra ity 2020 ity, hoy izy, satria hamirapiratan’ny fiverenan’ny hasin’ny maha-Malagasy.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT