kolontsaina

Alahamadibe sy taom-baovao Misy hafatra ho an’ny Malagasy, hoy i Manjakatokana


  • Alakamisy 20 Martsa 2025

Misy hafatra manokana hoan’ny malagasy ao ambadiky ny fankalazana

miaraka ny alahamadibe sy ny taom-baovao. Tsy kisendrasendra fa misy hafatra manokana tian’ny Mpahary atsipy amin’ny malagasy no anton’ny nampifandray ny fankalazana ireo fomba maromaro izay hitranga amin’ny faran’ity volana Martsa ity. Isan’izany ny Alahamadibe, ny Taom-baovao Malagasy, ny fahataperan’ny Ramadany ary ny fahatsiarovana ny tolom-panafahana 29 Martsa. Samy tafiditra ao anatin’ny 29 hatramin’ny 31 martsa avokoa ireo fomba ireo. Araha izany dia ny lafiny tsara izay hafatra tokony ho takarina ao anatin’izany no tokony hiaraha mikaroka fa tsy ho lany andro mifanaratsy sy mifanenjika hoy i Manjakatokana , mpahay momban’ny Sorabe. Antso hoan’ny firaisakinan’ny malagasy no ao ambadik’izany fifanandrifiana izany hoy izy. Raha tsy hiresaka afatsy ireo izay hankalaza ny Alahamadibe dia ny fandroana sy ny fidiovana amin’ny lafiny rehetra no ao ambadik’io fomba io , tokony hadio avokoa ny fo , ny saina ary ny fanahy ao anatiny sy aorian’ny Alahamadibe, tahaka izany ihany koa ny taom-baovao ,izay hanaovana hainga vao sy hanadianoana ireo izay nampifanditra rehetra tany aloha. Antoka io raha tanteraka fa hifamela sy ifankatia isika rehetra ka hamerina indray ny fifankatiavana, izay antoka hampandroso ny firenena, hoy hatrany i Manjakatokana.
Solotiana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

  • Mpanakanto Shyn
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

"Mbola tsy hita ny hazavana"

  • Famelomana ireo tantara
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

an-tsary fahiny

  • Fanavaozana ny Firenena
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

« Mila mifaka amin’ny «

Hijery ny tohiny
FTT