kolontsaina

Akademia Malagasy Nomarihana ny faha-100 taonan’i ED Andriamalala


  • Talata 23 Oktobra 2018

iantsana ny asa sorany nataon’ireo mpiantsa tononkalon’ny Havatsa-Upem sy fihirana ny tononkalo nosoratany ary vela-kevitra nataon’ny mpampianatra mpikaroka 2 vavy no nentina nanamarihana ny faha-100 taona nahaterahan’ilay mpanoratra malaza ED Andriamalala

 

 

F“Emilson Daniel Andriamalala” teny amin’ny Akademia Malagasy teny Tsimbazaza notarihan’ny filohany, Ranjeva Raymond omaly alatsinainy 22 oktobra ka notohizana teny amin’ny Tahala Rarihasina misy ny foiben-toeran’ny Havatsa Upem. Fotoam-pivavahana fangataham-pitahiana ho an’ny fanahiny sy fisaorana an’Andriamanitra kosa no notontosaina teny amin’ny fiangonana Fjkm Itaosy, omaly alatsinainy io ihany.  Ambetin-dresaka tany amin’ireo toerana 3 ireo ny maha avo lenta ny asa soratr’ity akademisianina Malagasy ity. Na dia ny fitiavana tonga lafatra sy ny fitiavan-tanindrazana aza no nifanindran-dalana tao anatin’ireo tantara nosoratany toy ny tao amin’ny Zazavavindrano, ny Fofombadiko, ny Hetraketraka ary Ilay Vohitry ny Nofy dia nasongadin’ireo zanany sy vinantony kosa fa hentitra tamin’ny fitaizana ny zanaka vavy izy fony fahavelony. Marihana fa efa tafiditra ao amin’ny tahirin’ny Unesco ireo asa soratr’i ED Andriamalala ireo. 

Nomarihan’ny fianakaviany koa omaly fa amin’ny 25 mey taona 2019 dia hisy indray ny fahatsiarovana ny faha-40 taona nametrahan’i ED Andriamalala ny penina tanteraka.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT