kolontsaina

Airtel Madagascar Manohana akaiky ny fampisehoan’i Njakatiana sy Bodo


  • Talata 13 Febroary 2018

Hiara-kankalaza ny fetin’ny mpifankatia i Njakatiana sy Bodo ny alahady 18 febroary ho avy izao.

Etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina no hanatanterahana izany manomboka amin’ny 3 ora folakandro. Hanohana ireto mpanakanto malaza ireto ny orinasam-pifandraisana Airtel sy ny Live Prod. Lohahevitra hampitondraina ny hetsika ny hoe : “Mifampitantana”. Tanjon’ny mpanohana ny hahafahan’ny mpankafy rehetra mankafy sy mankamamy ny feo kanton’i Bodo sy Njakatiana, mpanakanto malaza izay mbola tena manana ny maha izy azy tokoa. Tafiditra ao ny fampiroboroboana ny kolontsaina Malagasy izay tena zava-dehibe ho an’ny orinasam-pifandraisana Airtel tokoa, hoy ny tale jeneraliny Atoa Maixent Bekangba. Tsiahivina fa efa 18 taona amin’ity taona ity no niarahan’i Bodo sy Njakatiana  nampiara-peo ka naharesy lahatra ny mpankafy rehetra.

 

Pati


 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT