kolontsaina

Airtel beach party Fahombiazana, nahatratra 10.000 ny olona tonga


  • Sabotsy 12 Aogositra 2017

Fahombiazana tanteraka no azon’ny orinasam-pifandraisana Airtel Madagascar sy ny F&H tamin’ilay hetsika Airtel Beach Party notanterahina tao Mahajanga ny 06 Aogositra lasa teo.

 

 Nanomboka tamin’ny 11 ora atoandro ny fampisehoana raha tsiahivina, tsy nitsahatra raha tsy ny Alatsinainy 07 Aogositra tamin’ny 02 ora maraina, nohafanain’ireo tarika vahiny sy malagasy maro efa tsy zoviana amintsika  intsony. Anisan’ireny Shyn, THT, Odyai, One Lio, Jerry Marcoss nofaranan’ny groupe Togolais Toofan. Afa-po avokoa ny rehetra noho izany, indrindra fa ireo mpiala sasatra tonga tany an-toerana narahin’ny fizarana fanomezana nataon’ny orinasam-pifandraisana Airtel. Raha araka ny fanazavan-dRandrianavalona Bien Aimé, lehiben’ny delegasiona nitarika ireo mpiasan’ny Airtel tany an-toerana moa dia vonona ny hifanome fotoana amin’ny mpiala sasatra rehetra indray ny hetsika  “Airtel Beach Party” amin’ny  fotoam-pialan-tsasatra lehibe manaraka ho avy io, izay tena mampiombona ny Malagasy tokoa.

 Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT