kolontsaina

Airtel beach party andiany faharoa Hanomboka ny 06 aogositra ho avy izao indray


  • Alatsinainy 17 Jolay 2017

Taorian’ny fahombiazana azon’ny mpikarakara orinasam-pifandraisana Airtel sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy tamin’ilay hetsika

 

 “Airtel Beach party” andiany voalohany notanterahina farany teo dia fantatra fa hanomboka ny 06 aogositra ho avy izao indray ny andiany faharoa. “Soma Beach” no lohahevitra nampitondraina azy izay hotanterahina any Mahajanga. Raha tsiahivina, tanora manodidina ny 20.000 no voaangona tamin’ilay andiany voalohany, antony nanosika ny Airtel hanohy izany ao anatin’izao fiatombohan’ny vakansy lehibe izao, raha araka ny fanazavan’ny tale jeneraliny Maixent Bekangba. Kilalao marobe no hatao amin’izany. Anisan’ireny ny fifaninanana dihy toy ny gweta, ny coupé décallée, ny kawitry, ny salegy  izay hizarana loka marobe ho an’ireo mpandray anjara rehetra. Tsy latsa-danja amin’ireo ny fanafanana ny lanonana hiarahana amin’ireo mpampandihy sy mpanakanto efa fanta-daza maneran-tany toa an’ny Dj Gouty, ny tarika Jerry Marcoss,   Shyn, Odiay, THT ary One Lio. Ny zava-pisotro Coca Cola sy ny XXL moa no mpanohana ofisialy ny hetsika.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT