Ho famoronana asa fa ho fanomezana asa ireo vehivavy lasibatry ny herisetra am-panambadiana ihany koa, hoy ny mpamorona ny Poti-taratasy création, Aina Rakotoarisoa, no nananganako ity orinasa ity.
Araka izany dia manodina ireo taratasy tsy ilaina intsony hitera-boka-tsoa amin’ny fiainana an-davan’andro izahay, hoy izy. Eo koa ny fandraisana anjara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Amin’ny ankapobeny dia tsy mifidy taratasy izahay fa mifantina arakaraka ny filana amin’ilay zavatra atao kosa. Tanjona ny hanampina tanteraka ny hoe vita gasy fa te hametraka kosa ny hoe vita Malagasy izahay. Tianay hialana koa ny fampiasana akora fototra mahazatra. 4 taona izay no nisianay ary somary sadaikatra ireo mpanjifa teo aloha. Nifanandrify tamin’ny fotoana nandrarana ny fampiasana harina sase koa anefa ny nitsanganay. Betsaka ny fanontaniana nipetraka tamin’ny olona hoe raha lenan’ny orana, raha izao sy izao, hoy ny fanazavany, ka nila taona 1 mihitsy aloha nampahafantatra ny fisianay. Ny taona faharoa nanazavana ny mombamomba ny vokatra. Ny fahatelo vao nivelatra tamin’ny tsena anatiny ary ankehitriny moa efa hatrany ivelany. Raha 25%n’ny mpanjifa no Malagasy nanjifa ny vokatray tany am-piandohana dia efa tafiakatra 50% izany ny taona fahatelo. Manantena hoavy tsara izahay satria na sady mandray torohevitra avy amin’ny mpanjifa aza dia miezaka manatsara araka izay fahafahana ihany koa. Mahazo tsirony na izahay na ireo mpanjifa. Misy poketra ato, posety, fitoerana solosaina, fitoerana fitaovam-pidiovana sy ny maro hafa. Efa misy akora miaro ireo taratasy hanamafy azy ary any am-paladianay, hoy hatrany izy, ny vita sinoa. Manodidina ny 15.000 ariary ka hatramin’ny 80.000 ariary ny vidin’ireo entanay. 1000 isa isan-taona any ny entana lafonay ary tsy eto ihany fa misy tsena any Alemaina, Frantsa, mitondra ireo vokatra amina tsenabe iraisam-pirenena koa izahay toa ny any Afrika atsinanana, Ouagadougou, Etiopia, Mayotte sy izay misy tsena iraisam-pirenena rehetra, hoy hatrany ity mpamokatra zavakanto vita amin’ny taratasy ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.