kolontsaina

AFRIMA 2017 tany Lagos Nigeria Norombahan’i Shyn ny “Révélation 2017”


  • Talata 14 Novambra 2017

Norombahan’i Shyn tamin’ny alalan’ilay hirany “Resim-pitia” ny laharana voalohany tamin’ny fifaninanana Afrima 2017 ho an’ny sokajy “Révélation 2017”.

Izy izany no mpanakanto vao misondrotra niavaka sy nosafidian’ny mpijery niampy ireo mpitsara nandritra ny fifaninanana natao tany Lagos-Nigeria ny alahady alina teo. Mpanakanto 9 avy amina firenena 7 aty amin’ny kontinanta Afrikanina dia Afrika atsimo, Angola, Cameroun, Gabon, Nigeria, Madagasikara, Maroc no nandray anjara tamin’ity sokajy iray ity. Niavaka ary nisongadina avy hatrany ny solontenan’i Madagasikara na teo amin’ny fomba fihira na ny gadona sy ny firindran’ny hira, indrindra fa ny seho an-tsehatra. Zanak’i Toamasina i Shyn ary efa maherin’ny 15 taona no nilofosany tamin’ny gadona RnB, Soul. Izy no anisan’ny nanampy sy nanohana an’i Deenyz izay vady andefimandriny tamin’ny zavatra nataony ary efa nisongadina taty Afrika ihany koa.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT