kolontsaina

Africa Music Awards Hihazo an’i Lagos - Nigeria anio i “Shyn”


  • Alakamisy 09 Novambra 2017

Hihaona amin’ireo mpandraharaha ao Afrika ireo mpifaninana amin’ny “Africa Music Awards” na AFRIMA, andiany faha-4, ny 10 novambra ho avy izao, ao Lagos Afrika. I Shyn manokana dia anio no handao an’i Madagasikara ho any an-toerana.

Mbola mitohy ny fifidianana, hoy izy ka manasa ireo mpiray tanindrazana tsy mbola naneho ny safidiny mba hanohana azy, hanindry ny bokotra misy ny sariny ao amin’ny tranonkala www.afrima.org mba hanandratana ny voninahitry ny kanto malagasy. Ny 50% amin’ny safidy moa no an’ny mpankafy fa ny 50% kosa dia an’ireo mpitsara amin’ny fifantenana izay ho mpandresy amin’ity fifaninanana ity. Ny 12 novambra ho avy izao no fotoana hanolorana ny loka. Raha tsiahivina, ny sokajy “revelation de l’année” no nifantenana azy amin’ilay hira mitondra ny lohateny hoe: “Resim-pitia”. Misokatra ho an’i Shyn ny sehatra iraisam-pirenena ary efa misy ny hira amin’ny teny anglisy sy ny teny malagasy novokariny mifanandrify amin’izany. Tsara homarihana ihany koa fa efa manana ny tranom-pamokarana “Makua Entertainement” azy manokana i Shyn mba hanampiana ireo artista Malagasy mila tosika, izay efa maro be tokoa no nanatona azy, araka ny nambarany omaly. Farany dia  "fitiavana mafoaka”, indray  no hiran’i Shyn hivoaka manaraka eo ary hitohy ny fitetezam-paritra amin'ny taona 2018.

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT