kolontsaina

25 taona nihiran’i Samoela Tsy nisy novana ny firafitr’ireo hira hatramin’izay


  • Alatsinainy 11 Oktobra 2021

Niainga tany amin’ny “Mampirevy”, “Manatosaka”, “Efa sy dimy”, “Efa sy folo”, “Efa sy fahefany”, “Efa sy fahatelony”. Tonga indray ankehitriny fa “Efa sasany latsaka dimy”,

hoy ny vazivazy zaritenan’ny mpanakanto, Samoela, nampahafantatra ny fikasany hankalaza hiaraka amin’ireo mpankafy azy hatramin’izay ka hatramin’izao ny faha 25 taona nihirany ny 17 oktobra izao. Etsy amin’ny tokontaniben’ny Esca Antanimena, hoy izy, no fotoana. Amin’ny maha isan’ireo mpanakanto mandala ny zavakanto ankehitriny azy dia nanazava I Samoela fa tsy nisy novana ny firafitr’ireo hirany hatramin’izay nahalalana azy tao anatin’ny 25 taona izay. Iny “Tiavina” nahenoana azy tamin’izany iny ihany no ezahana averina amin’io fotoana io. Toy izany koa ry “Ikalakely” sy “Mila namana” na ireo taty aorina sy vaovao toy ny “Rava”, “Hafaliana foana”, “Kofa tia” sy ny namany rehetra, hoy hatrany ny fanazavan’ity mpanakanto ity.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT