25 taona naha Tovo J’hay

Ho marihina ao Paris


  • Alatsinainy 10 Febroary 2025

Ho marihina ao amin’ny New Morning, ao Paris, Frantsa, ny 9 martsa 2025 izao ny 25 taona

naha Tovo J’hay an’i Ratovondrahona Herinirina, mpanakanto malagasy nisafidy ny hikopa-kelatra andeha irery ny taona 1997 rehefa avy tao amin’ny tarika Maxi ny taona 1985 hatramin’ny 1992. Teo amin’ny faha 20 taonany ity mpanakanto teraka ny 5 janoary 1974 no niaka-tsehatra voalohany tamin’ny maha Tovo J’hay azy tao amin’ny Abakabaka ary tsy nampoizina fa maro ireo namaly ny antsony tamin’izany fotoana izany, hoy ny fanazavàna. Nanomboka niforona teo ihany koa ireo vondron’olona nankafy ny tovolahy ka nanomboka nivoaka amin’izay ry «Satry foana», «Mbola hafa», «Niandry» sy ny tohiny rehetra hatramin’izao to an-dry «Angolanao» sy ry «Toa azy!». Ny mozika Soul no tena nahafantarana an’i Tovo J’hay hatramin’izay ary tsy nanalavitra izany ny lehilahy saingy nisy kosa ny fampivoarana ny fikitihana ireo zava-maneno sy akora mikasika ny mozikany mba hifanaraka amin’ny fivoaran’ny vanim-potoana ankehitriny, raha ny fanazavàna hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT