15 taona nahalasanan’i Michael Jackson

Hanao hetsika fahatsiarovana ry Mandresy JBoys


  • Alakamisy 27 Jona 2024

Feno 15 taona katroka ny 25 jona 2024 teo ny nahalasanan’ilay mpanjakan’ny mozika Pop, Michael Jackson.

Hanao hetsika fahatsiarovana ity andrarezina iraisampirenena teo amin’izany mozika izany ity, araka izany, ry Mandresy JBoys sy ny ekipany. Mandresy JBoys moa na Ratiaholison Mendrika Ny Mandresy dia ilay tovolahy malagasy 28 taona mahavita maka tahaka tanteraka ity mpanjakan’ny Pop ity na eo amin’ny lafiny feo izany na eo amin’ny fomba fihirana hatramin’ny fandihy. «Legend never dies» na hoe tsy maty mandrakizay ny andrarezina moa no teny filamatr’ity tovolahy ity sy nambarany fa antony goavana manosika hamelo-maso hatrany ny kanto rehetra navelan’izany Michael Jackson izany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT