kolontsaina

10 taonan’ny fandaharana Kolots’Art 15 taona no mpanakanto zandriny indrindra nandray anjara


  • Talata 04 Jolay 2023

Nomarihina ary naseho ho an'ny rehetra tetsy amin'ny AFT Andavamamba, omaly ny faha 10 taonan'ny fandaharana Kolots'Art ao amin'ny fahitalavitra rahavavy Kolo TV.

Naranty tamin'izany ny ankamaroan'ireo asa tanana sy fahaiza-manao ary koa ny momba ireo mpanakanto. Teo ireo mpanakanto amin'ny hosodoko sy ireo sary miisa 50 naranty teny an-toerana, hoy ny fanazavana. Eo koa ireo taozavatra sy asa tanana na "Tableau". 15 taona no zandriny indrindra amin'ireo mpanakanto raha anisan'ny zokiny indrindra kosa i Tiana Raparivo. Nambaran’ny tomponandraikitry ny fandaharahana, Minosoa Razafinimanana, fa nifampizarana tamin'ireo mpanakanto sy ny mpijery izany 10 taona izany. Ahitana zava-baovao hatrany sy ireo niavaka isan-kerinandro ary nahafinaritra avokoa izy ireny, hoy izy. Nanteriny fa ilaina fantatra avokoa ny ao ambadik'ireo mpanakanto ary ahalalana ny tantarany sy ny fahaiza-manao ary ny aingam-panahin'izy ireo. Natsidiny fa ezahina ny hanitarana ny fandaharana any amin'ny faritra sy ho fanandratana ireo mpanakanto. Eo koa ny hanomezana tantsoroka azy ireo eo amin'ny kanto ataony, hoy hatrany ity tomponandraikitra ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT