kolontsaina

« 1 anala Dj » Manandratra soatoavina anaty mozika


  • Talata 28 Novambra 2017

« Andrianiko ny kantoko, feheziko ny an’ny hafa ». Io no teny filamatra entin’ny « 1 anala Dj » anatin’ny fikirakirana ny hira sy ny mozika. Fantatra tamin’ilay vazo « Zarako aza Gasy » ny tovolahy tany amin’ny taona 2015.


 Ny fitrandrahana ireo gadona vokatry ny tany malagasy tahaka ny kilalaky, salegy, vakisaova… laroina ban-kira vahiny toy ny afro beach mba ahafahan’izy ireny miampita ranomasina. Izay no raikipohy tsotra nefa mahomby hivoizany ny kanto malagasy. Tsongaina amin’ireo mozika vaovaon’ny « 1 anala Dj » ny namoahany ny hira « Kilalaky kindriandriana ». Maneho ny lalao nentim-paharazana malagasy ampiarahana amin’ny fomba fandihy kilalaky.  Manan-talenta amin’ny famolahana ireo voambolana sy teny malagasy hanjary taokanto ny tovolahy ary taratra mandrakariva anatin’ireo tononkirany ny maha saropiaro tanteraka azy amin’ny fitandroana sy fanandratana ny soatoavina malagasy toy ny fihavanana, fandalana ny fahamarinana…  Nahitsy ny hafatra nentin’i « 1 anala Dj » ho an’ireo Mpanakanto namany : « Tsara ny kolontsaina malagasy izay mirakitra soatoavina ary aza ampianarina ratsy ny Malagasy anatin’ny hira sy mozika ary ny dihy ». Teny atsipy ho an’ny « Manam-panahy » tokoa izany.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT