Finoana

Rapatrisy Anosivolakely Mbola hihamafy ny hahazo ny Malagasy


  • Alakamisy 03 Jona 2010

Mbola hihamafy noho ny fitombon’ny faharatsiam-panahy araka ny voalazan’ny Masina Maria ny hahazo antsika Malagasy ato ho ato raha tsy mibebaka tanteraka isika, hoy Raharimanana Patrice Charles na Rapatrisy ilay lehilahy voalaza fa nisehoan’ny Masina Maria imbetsaka tany Anosivolakely.

Hankalazaina manokana amin’ny volana novambra izao ny faha-20 taona nisehoan’i Masina Maria voalohany tamin’ity lehilahy ity raha tontosa tamin’ny 29 sy 30 mey teo kosa ny andiany faha-43 tamin’ny fivahinianana masina nokarakarainy niaraka tamin’ny fikambanana Ave Maria. Olona nahatratra 13 670 no tonga namonjy ity andiany iray ity izay be indrindra hatramin’izay raha ny fanamarihana azo tany an-toerana. Nisy avy lavitra toy ny avy any Ambanja, Antsiranana, Taolagnaro, Fenoarivo Atsinanana, Fianarantsoa, Ihosy, Mahajanga, Ambatondrazaka, Antsirabe, Ambositra sy Miarinarivo. Toy izao moa raha tsiahivina ny hafatra voalohany nomen’ny Masina Maria an-dRapatrisy : “Nirahan’ny Zanako aho ho aty aminao. Tiako loatra ianareo ry zanako, nefa mila tsy ho tantiko intsony ny fahatezeran-Janako, satria difotra ao anatin’ireo faharatsiana ireo ny olombelona, indrindra fa ny vahoaka Malagasy, dia ny fitiavan-tena, ny fitiavam-bola, ny fitiavam-boninahitra ary ny fahafinaretan’ny nofo. Koa amin’izao fotoana izao (1990) dia 60%-n’ny Malagasy no mahantra dia mahantra tsy hay lazaina. Ka miangavy ny Malagasy aho mba hibebaka sy hiara-mivavaka amiko mangataka ny famindrampon’Andriamanitra. Manomboka amin’ny taona 1991 ka hatramin’ny taona 1995, dia hihamafy hatrany ny fiainan’ny Malagasy. Hisy loza voajanahary, toy ny hain-tany, tondra-drano, rivodoza, ady an-trano madinidinika, ra latsaka… Ary amin’ny taona 1995 dia hiakatra any amin’ny 80% ny Malagasy mahantra fadiranovana. Koa izany no angatahako ny Malagasy mba hibebaka sy hiala amin’ireo fototry ny faharatsiana ireo, satria raha lasa ireo 5 taona ireo ka tsy miova ny Malagasy, dia ho mafimafy kokoa noho izany indray ny fiainana. Mety ho ady an-trano, ka fananana maro no ho potika amin’izany, ain’olona maro no hafoy, miampy ny loza voajanahary”.

Tsy nitsahatra nampahatsiahy an’izany hafatra izany ny tenako rehefa misy fivahiniana masina, hoy Rapatrisy, fa ny nanao izany am-pahibemaso tamin’ny olon-drehetra sy tamin’ny mpitondra fanjakana kosa no tsy nataoko intsony an-taonany vitsivitsy izay. Marihina fa tao anatin’izay 20 taona izay dia nahavita fiangonana lehibe iray mirefy 31 x 9,9 m araka ny hafatry ny Masina Maria Rapatrisy ao Anosivolakely ary nahatsangana sekoly fianarana efa ahitana mpianatra kilasy famaranana ihany koa ary toby fitsaboana olona maimaimpoana. Ireo no laharam-pahamehana ho azy ary tsy niantsoana mpitondra fanjakana izany fa nataony tamin’ny herin’ny tenany sy ny fanampiana azo noho ny valim-bavaka. Efa nahavita tetezana maro amin’ny lalana mankany Anosivolakely koa Rapatrisy noho ny valim-bavaka ihany fa ireo asa fanasoavana vahoaka ireo aloha no tena imasoany vao mihevitra ny hanatsara ny lalana izy. Iriany fatratra ny mba hakan’ny toeran-kafa tahaka ny kely vitan-dry zareo any amin’ity toerana ity. Fa ity no mby amin’ilay teny malaza hoe : “Finoana arahina asa tena zava-tsoa tokoa”.
 
Mpivahinin’Anosivolakely

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT