Ny synoda lehibe nataon’ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM) tany Toliara no namerina azy 5 mirahalahy hitondra indray ny FLM ato anatin’ny efa-taona ho avy. Fe-potoam-piasana fahatelo ho azy ireo no manomboka eto, izay tarihin’ny pastora Rakoto Endor Modeste. Nisy ny resaka nifanaovana tamin’ny mpandraharaha eo anivon’ity fiangonana ity, nisolo tena ny filohan’ny FLM, Atoa Rakotoniaina René.
Tia Tanindrazana (TT) : Inona tompoko no tanjona apetraka ato anatin’izao fe-potoana vaovao iasan’ny birao voafidy izao ?
Rakotoniaina René (RR) : Fe-potoam-piasana fahatelo iasan’izy dimy lahy voafidy izao. Misy izany aloha ny fitohizan’ny asa efa natomboka hatramin’izay. Mety ho lesoka manko raha tsy lany teo izy ireo satria ry zareo am-perinasa teo no namolavola ny fanavaozana ny lalàmpanorenana sy ny fanitsiana ny rafitra sy litorjia loterana. Miandry azy ireo, araka izany, ny fampiharana ireo. Ao anatin’izany ny fizakan-tenan’ny FLM, ny fanatsarana ny fitantanana, na eo amin’ny mpiasa io na ho an’ny fananan’ny fiangonana. Misy amin’ireo fananan’ny fiangonana manko no tokony hafindra anarana amin’ny FLM, eo ohatra ny tany misy ny fiangonana. Ny lalàmpanorenana teo aloha dia nohavaozina ihany koa satria mifangaro ny fitsipika anaty sy ny sata. Ankoatra izay dia mila fanatsarana koa ny fitantanana, indrindra any amin’ny fototra, any amin’ireo synoda.
TT : Miresaka synoda ihany, anisan’ny raharaha mafanafana ny famindrana pastora 23 eto amin’ny synodan’Antananarivo, aiza ho aiza ny momba azy io ?
RR : Amin’ny ankapobeny dia olana eo amin’ny tsy fankatoavana rafitra no mahatonga ny olan’ny synoda. Misy mpiasa tsy manaiky ny rafitra fa te hanohitra foana. Toa misy na miantraika aty amin’ny fiainam-piangonana ny krizy. Momba ny famindrana ireo pastora 23 dia mihantona aloha. Efa nisy ny fanelanelanana nataon’ny foibe izay tsy voatery ho re etsy sy eroa. Vao ny alakamisy lasa teo no nisy fifampidinihana. Efa nisy tatitra niakatra avy amin’ny isan’ambaratongany, ary nialoha ny synaoda dia efa nisy tatitra tonga taty amin’ny foibe. Nisy ny fanitsiana sy fananarana natao tamin’izany. Raha ny lalampanorenana dia manana sampan-draharaha misahana ireny karazana olana ireny ny FLM dia ny “service contentieux ecclésiastique”. Tsy dia fanaon’ny Loterana loatra ny mamoaka ny raharaha ivelany fa tsy nahandry moa ny kristianina sasany, nilaza fa ela loatra ny foibe kanefa izahay dia efa niasa mangina taty ambadika. Nanao ‘réaction’ avy hatrany ny kristianina ka tsy voafehy ilay toe-draharaha. Hatreto aloha dia tsy mbola tonga tany amin’ilay “service contentieux” io olana io fa mbola vitan’ny fifampiraharahana ary efa notenenina ny filohan’ny synoda.
TT : Eo anivon’ny Loterana, raha misy fihoaram-pefy na avy amin’ny kristianina na ny mpitondra, misy fepetra ve raisin’ny foibe ?
RR : Misy fepetra raisina raha misy ny fihoaram-pefy saingy mbola fifampidinihana foana aloha no aroso. Efa tena tsy azo ihodivirana ny hoe miafara hatrany amin’ny fanesorana na fanovana olona. Ato amin’ny Loterana dia eo ny fanajana ny rafitra, ny komity isan’ambaratongany. Rafitra synodaly manko ny an’ny Loterana. Ny birao dia eo ambany fifehezan’ny komity ka raha ho an’ny SPAnta manokana dia aleo aloha miandry ny fivorian’ny komitin’ny synoda izay rafitra afaka manapa-kevitra fa tsy anjaran’ny biraon’ny synoda. Amin’ny volana desambra dia misy ny fivoriana fanaon’io komitin’ny synoda io.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.