Notokanana tamin’ny fomba ofisialy omaly 18 aogositra 2025 ny ampahany vita 8 km
mampitohy an'Ambodifasina-Ambohimangarova amin’ny lalambe na "voie rapide" 260km mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina. Nitarika ny fanokafana i Andry Rajoelina Filoham-pirenena sady Filohan'ny SADC notronin'ireo mpitondra Afrikanina vitsivitsy, mpikambana ao amin’ny SADC, taorian’ny fihaonamben’ny Filoha sy ny Governemanta natao teto. Raha jerena amin’ny endrika ivelany, dia zava-dehibe sy manan-tantara tokoa ny hetsika. Saingy rehefa mandinika lalina, dia mipoitra ny fanontaniana samihafa. Ny 3 novambra teny Iavoloha no natao ny fifanaovan-tsonian'ny Fanjakana sy ny orinasa Ejiptianina Samcrete hanamboatra ny lalambe migodana na "autoroute" mampifandray an'i an'Antananarivo-Ambatondrazaka-Toamasina mirefy 260km. 924 tapitrisa dolara ny sandany ka anjaran'ny Fanjakana ny 20% ary avy avy amin'ny mpiara-miombon'antoka ny 80%. 15 taona no hamerenana ny volan'ny mpiara-miombon'antoka. Nolazaina fa ho vita amin’ny 2027 satria 4 taona ny faharetan'ny asa, 80km no ho vita hatramin'ny faran'ny taona 2023 raha ny nolazaina. 15000Ar ho an'ny fiara madinika, 20000Ar ho an'ny fiara lehibe toy ny kamio, rehefa vita ny "autoroute",... Raha ny hita efa vita ao aloha tsy "Autoroute" fa "voie rapide" na "By Pass" na "Expres way" ka asa izay tokoa ve no nifanarahana ?
80 KM LASA 8KM SISA
Tamin’ny Desambra 2022 no nanomboka ofisialy ny asa fanamboarana, ary 301 miliara Ariary no natokana tao anatin’ny tetibolam-panjakana 2023 ho an’ny 80 km voalohany amin’ny lalambe mirefy 260 km. Nolazain'ny Fanjakana fa ho vita alohan’ny faran’ny taona 2023 io ampahany 80 km io. Nihena ho 25 km ny vinavina taty aoriana, ary 8 km monja no vita sy natokanana ankehitriny aty amin’ny faramparan’ny taona 2025. Raha atao kajikajy tsotsotra, 32 volana no lany namitana ny 8 km voalohany, manome 0,25 km isam-bolana no hafainganam-pandrosoana. Raha mijanona amin’io hafaingana io ny asa, dia tsy 4 taona no hamitana ny aza fa 1008 volana, na 84 taona, no ilaina hamitana ny 252 km ambiny. Tsy mbola nisy tatitra ofisialy manazava amin’ny antsipiriany ny fizarana ny 301 miliara Ariary, na ny antony nahatonga ny fahataran’ny asa. Raha tetikasa goavana tahaka izao no tsy arahina amin’ny mangarahara sy fanazavana mazava, dia manamafy ny ahiahy sy tsy fahatokisana amin’ny fomba fitantanana ny volam-panjakana. Toa ny sehoseho no lasa aloha! Ny lalambe Antananarivo–Toamasina dia tsy vitan’ny hoe tetikasa ara-teknika, fa tena hanatsara ny fifandraisana ara-toekarena sy ara-piarahamonina, raha tena vita, saingy mampanahy ny tena hahatontosa azy an-tsakany sy andavany, raha izao fomba fiasa izao.
AHOANA IREO LALANA MANERANA NY NOSY ?
Fa tsy mijanona amin’io lalambe io ihany ny olana. Lalampirenena manerana ny Nosy maro no potika, raha tsy hilaza afatsy ny RN2, RN4, RN 7,... Mety misy ny fanamboarana saingy ny hita dia tsy voakarakara, mamotika ny toekarena, mampiakatra ny vidim-piainana, ary mampidi-doza. Raha ny tokony ho izy, ny Fonds Routier no mamatsy vola amin’ny fanamboarana sy fikojakojana ireo lalana fototra, saingy tsy hita taratra amin’ny zava-misy eny ifotony ny fiantraikan’ny fampiasana ny vola. Mankaiza àry ny volan’ny Fonds Routier? Inona no antony tsy ahitana fanatsarana manerana ny faritra, raha toa ka misy vola natokana ho amin’izany?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.