FIVATO

«Manjaka ny tsy fanjariam-pitantanana rehefa mirongatra ny kolikoly»


  • Alarobia 16 Jolay 2025

Mirongatra ny kolikoly amin’ny endriny maro samihafa amin’ireo

faritra miisa 15 hiasàn’ny Fivato na Fiaraha-mientan’ny vondron’olona tomponandraikitra eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao, hoy ny filohan’izy ireo, Randimbiarison William. Isan’ny efa mampiteny ny moana, hoy izy, ny tontolon’ny fananan-tany. Mihatra indrindra amin’iny faritr’Itasy iny ny fanamparam-pahefana. Vao mandeha ny dingana ara-pitsaràna ka na tsy nanatrika fitsaràna aza ny andaniny dia misy fampahafantarana didy izay ataon’ny vaditany dia iny dia efa entin’ny sasany mandrava tanànan’olona. Tsy ara-dalàna izany. Efa ravàna ny tanànan’olona nefa hoe mbola «signification» fa fanamarihana no ataon’ny vaditany fa tsy mbola «grosse» na fampiharana didy akory. Hatramin’ny fiangonana aza ravan’izany. Ahitana izany ny kaominin’Ambohidanierana sy Amberomanga. Manakaikikaiky olom-boafidy ny olona manao izany ary lasa manana toky hoe manana lamosina izahay fa izay ataonareo eo. Voatery mitaraina aty amin’ny Fivato ireo lasibatra ary ny Fivato koa tsy maintsy hijoro satria tsy azo leferina ny toe-draharaha toy izany fa tsy maintsy ijoroana ny rariny sy hintsiny. Misy dingana ara-pitsaràna tokony arahana. Mbola afaka mampiakatra raharaham-pitsaràna ambony ilay olona. Afaka mandrava didy izy nefa ravànao ny fananany. Avy eo tsy hain’ilay olona akory hoe mitory ady heloka rehefa tratran’ny toy izay ka izay no antony ijoroan’ny Fivato. Ady heloka izany fandravàna fananana izany nefa, ohatra, ataon’ny olona ady madio koa dia tsy mahazo rariny anatrehan’ny fitsaràna izy noho izay tsy fahafantarany izay. Tsy mitsahatra ny manao tantsoroka ireo hiharan’ny tsindry hazo lena toy izany, noho izany, ny Fivato. Inona no manakana antsika tsy hanao toy ny hita any amin’ireo firenena miteny anglisy tahaka an’i Etazonia sy Alemanina hoe olom-boafidy, ohatra, no atao lehiben’ny fampanoavana dia manana kabinatrana mpitsara ry zareo tena mijery ny ahafahana mametraka ny tena tany tan-dalàna ao amin’ilay firenena? Hitohy foana ny tany tsy tan-dalàna raha izao no tohizantsika! Hitohy foana ny kolikoly ary manjaka ny tsy fanjariam-pitantanana rehefa mirongatra ny kolikoly. Izay no mampahantra antsika. Ilaina koa ny fiarovana ireo fiarahamonim-pirenena manao tantsoroka ny olona any amin’ny fitsaràna. Tsy ny olona rehetra no afaka hanana vola an-tapitrisa hakàna mpisolovava dia ho verezin-jo tsy afaka hiaro azy ve izany izy rehefa izay. Maninona, ohatra, ny sehatry ny fampianarana no manaiky mpampianatra FRAM rehefa tsy mahatakatra mpampianatra nivoaka tany amin’ny sekoly ambony? Toy izany koa ny sehatry ny fahasalamana. Anaty fiarovana zon’olombelona izany ka misy lalàna tokony ahitsy mifanaraka amin’izay, hoy hatrany ny Fivato.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT