Fampianarana

Zon’ny mpanabe Harafitra ho lalàna


  • Talata 30 Oktobra 2018

Tsy hanaiky fotsiny amin’izao fa handrafitra ho lalàna ireo zo tokony homen’ny fanjakana azy ireo mpampianatra mivondrona ao anatin’ny fikambanamben’ny mpanabe manerana ny Nosy.

 

 

 

Izay ihany no lalan-tokana hahafahan’ny fanjakana mamaly ny fitakian’ny mpampianatra, hoy Atoa Théophilio, mpandrindra nasionaly eo anivon’ny fikambanana hisorohana ny fitokonana lavareny toy ny nitranga tamin’ny taon-dasa. Nihaona sy nikaon-doha tetsy amin’ny ENS Ampefiloha ireo mpikambana rehetra nanomboka omaly. Anisan’ny navoitran’izy ireo tamin’izany ireo olana sedrain’ny mpampianatra ankehitriny. Anisan’ireny ireo mbola mandray karama latsaky ny 2 hetsy Ar isam-bolana, eny fa na dia ireo mampianatra any amin’ny faritra ambanivohitra mitoka-monina sy be dahalo aza. Ny 14 sy ny 15 novambra ho avy izao no hotohizan’izy ireo eny amin’ny CCI Ivato  izany  ho tombontsoan’ny mpanabe Malagasy rehetra.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT