Zaza afaka CEPE sy BEPC tao Talatamaty

Maro ny fangatahana hidirany amin’ny Sekolim-panjakana


  • Alakamisy 14 Septambra 2023

Mafy ny mahazo ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra amin’ny fiatrehana ny taom-pianarana vaovao 2023-2024.

Ho an’ireo mpianatry ny sekoly tsy miankina teo aloha ohatra dia tsy maintsy hafindra eny anivon’ny sekolim-panjakana izy ireny ialana amin’ny fandoavana saram-pianarana isam-bolana. Toraka izany ireo vao afa-panadinana farany teo toy ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC. Ho an’ny kaominina Talatamaty manokana raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana Raharinoasy Elie Dominic dia tafakatra an-jatony ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra tonga nidodododo tao aminy. Mitovy avokoa ny olan’ireto farany. Ankoatra ny tsy fananana fahafahana hividy fitaovam-pianarana dia olana goavana ihany koa ny fandoavana saram-pianarana eny anivon’ny sekoly tsy miankina. Nangataka ny mba hahafahan’ny Ben’ny tanana miresaka amin’ny tompon’andraikitra hanamorana ny fidiran’ireo mpianatra vao afa-panadinana ireo eny anivon’ny sekolim-panjakana araka izany izy ireo. Nisy nandritra izany ny resaka nifanaovan’ity Ben’ny tanana ity tamin’ireo sefo ZAP, talen-tsekoly…. ka ankizy mpianatra vao afa-panadinana an-jatony no fantatra hatreto fa efa tafiditra soa aman-tsara. Tsiahivina moa fa laharam-pahamehana ho an’ny kaominina Talatamaty ny resaka fanabeazana. Ankoatra ny fanampiana tahaka izao dia miezaka mamaly soa ireo mpianatra tsara naoty indrindra tamin’ny fanadinam-panjakana farany teo ihany koa ny kaominina. Mpianatra miisa 35 afa-panadinana Bakalorea araka izany no nentin’ny Ben’ny tanana mivady nitsangatsangana tany Foulpointe ny faran’ny herinandro teo. Ho avy tsy ho ela kosa ny valisoa ho an’ireo mpianatra vao afa-panadinana CEPE sy BEPC farany teo ka tsara naoty koa.
Pati Legende : Ireo mpianatra afa-panadinana Bakalorea nentin’Atoa Ben’ny tanana nitsangatsangana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

  • Jean Pierre Rakotoniaina
  • Zoma 27 Martsa 2026

«Tsy asa fampianarana fotsiny ny fanabeazana»

Hijery ny tohiny
FTT