Fampianarana

ZAP Andranonahoatra Maro ireo ankizy nitsoaka an-daharana


  • Alakamisy 24 Martsa 2022

Betsaka ireo mpianatra nitsoaka an-daharana an-tsekoly nandritra ny fandalovan’ireo karazana rivo-doza teto amintsika ho an’ny ZAP Andranonahoatra, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.


 Ny teny anivon’ny sekoly ambaratonga fototra na ny EPP no tena nahitana betsaka izany. Amin’izao faramparan’ny volana martsa izao vao manomboka miverina tsikelikely ny mpianatra saingy olana hafa indray no mitranga. Maro amin’ireo Ray aman-dReny mantsy no tsy manana fahafahana hanome sakafo ara-dalana azy ireny izany hoe : in-telo isan’andro. Tsy vitsy amin’ireo mpianatra araka izany no lasa matoritory foana fa tsy mifantoka amin’ny fianarana rehefa any an-tsekoly ankoatra ireo tsy salama lava. Tsy latsa-danja amin’izany ny fitaovana hampiasaina izay tsy ara-dalana ny ankamaroany vokatry ny fahasahiranan’ny Ray aman-dReny. Mba ho fanampiana azy ireny dia tonga nanolotra fitaovam-pianarana niaraka tamin’ny kitapo ho an’ireo mpianatra ao amin’ny EPP Ambaniala omaly ny fikambanana Save the children. Fantatra ihany koa fa hanampy ireo Ray aman-dReny manan-janaka latsaky ny 5 taona miisa 2 amin’ny alalan’ny fanolorana lela-vola 100.000 Ar isan-tokantrano ny fikambanana hahafahan’izy ireny manao velon-tena hanatsarany ny fari-piainany. Mpianatry ny EPP maromaro eto an-drenivohitra sy ny manodidina moa no ezahina hahazo tombontsoa amin’izany raha toraka izany koa ireo Ray aman-dReniny.
Pati
Legende : Betsaka ireo ankizy mpianatra no tsy ampy sakafo !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

Hijery ny tohiny
FTT