WORK PROGRAM

Hanofana tanora matihanina amin’ny fiompiana sy fambolena


  • Alatsinainy 29 Janoary 2024

Vato misakana tsy hahafahana mampandroso ny firenena ny

hamaroan’ireo tanora tsy an’asa ao aminy. Anisan’izany isika eto Madagasikara. Raha misy tanora 100 nahavita fianarana tokoa mantsy ao anatin’ny taona iray dia ny 10 amin’ireo monja no mba mahita asa mifanaraka amin’ny fianarana noratovony, antony mampahazo vahana ny asa tsy ara-dalana eto amintsika toy ny fivarotana amoron-dalana….Nitady vahaolana mifandraika amin’izany ny fandaharan’asa Work Program sy ny solombavambahoaka Alain Ratsimbazafy, voafidy tamin’ny anaran’ny antoko Tiako I Madagasikara ao anatin’ny distrikan’Atsimondrano. Nosantarin’izy ireo tamin’ny fanomezana fiofanana maimaim-poana teny amin’ny By pass izany ny Sabotsy teo ka olona manodidina ny 400 teo ho eo no nisitraka izany raha kely. Ankoatra ny fiompiana akoho gasy dia nampianarina ireo olona ireo tamin’izany ny fiompiana trondro carpe royal. Hitohy amin’ny fiandohan’ny volana Febroary ho avy io amin’ny fiofanana fampiharana omeny noho ny efa fananan’izy ireo ivon-toerana mifandraika amin’izany hahafahan’ireo mpiofana mampihatra izay fahalalana noratovony. Nambaran’ny solombavambahoaka Alain Ratsimbazafy moa fa noho ny fahitany ny fahasahiranan’ny Malagasy ateraky ny tsy fisian’asa no nanosika azy hihetsika sy hanohana ny Work Program tahaka izao raha eo ihany koa ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo izay notsindriany fa tena tokony himasoana. Mpandraharaha matihanina miisa 500 no kasain’izy havoaka noho izany amin’ny faran’ity taona 2024 ity hahafahana miady amin’ny fahantrana lalina misy eto Madagasikara.
Pati
Legende : Ny Solombavambahoaka Alain Ratsimbazafy voafidy teny Atsimondrano, manohana sy miara-miasa akaiky amin’ny Work Program !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT