Vonjeo ny fampianarana!

«Tena gaboraraka, petatoko, kitoatoa ity fitantanana ity»


  • Zoma 17 Janoary 2025

Antitranterina fa tena latsaka an-katerena sy tandindonin-doza ny fampianarana eto Madagasikara,

hoy ny vondrona Vonjeo ny fampianarana!, nanao fanambaràna tetsy Isoraka omaly. Mijoro ho arofanina izahay, hoy izy ireo, ary mitondra vahaolana ho an’ny fampianarana manerana ny nosy. Mangataka am-panajàna ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena izahay. Aiza tompoko ny valin’ilay andrana natao efa ho 4 taona izao mikasika ny praogramam-pampianarana vaovao izay natao teo anivon’ny CISCO miisa 18? Praogramam-pampianarana miisa 2 no ampiharina eto amin’ny firenena. Tokana nefa ny fanadinam-panjakàna. Sahirana ny ray aman-dreny, ny mpampianatra, ny mpianatra. Amin’izao akatoky ny fanadinam-panjakàna izao dia mitady paikady matotra mikasika ny fikarakaràna sy ny fiarovana ny laza adina izahay! Mikasika ny LOSEM dia hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena hoe tapitra hatreto ny PSE na «Plan sectoriel de l’éducation» fa LOSEM na «Loi d’orientation du système éducatif à Madagascar» amin’izay no ampiharina nefa solombavambahoaka miisa 13 anatin’ny 163 no nandany io lalàna io. Rariny ve izany? Tena nojerena tokoa ve fa sahaza ny malagasy io lalàna io? Andininy miisa 20 no mbola miandry fitsipika mifehy na «voix règlementaire». Tsy mazava ny fomba hanatanterahana azy. Efa misy fampiofanana mandeha nefa momba an’io ho an’ny mpampianatra sasantsasany ka misy zanak’Ikalahafa ve eto amin’ity firenena ity? Andininy maro no manondro zavatra tsy lojika, tsy mazava ary tsy mitombina. Ohatra amin’izany ny andininy faha 119, 123, 130 sy ny maro hafa. Mety hiteraka olana eo amin’ny fampiharana ireo zavatra tsy mazava ireo any amin’ny fametrahana didy fampiharana. Tena gaboraraka, petatoko, kitoatoa ity fitantanana ity nefa antoky ny fampandrosoana an’i Madagasikara izany. Tokony asiana fanovàna avy any ifotony mihitsy ny fampianarana sy fanabeazana eto Madagasikara. Izay no mahatonga anay miteny hoe midira ao amin’ny tranokalam-pifandraisana www.fampianaranamendrika.mg hametrahanareo izay mety ho tsara amin’ny fanavaozana ny fampianarana sy fanabeazana eto Madagasikara, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT