Nivoaka tamin’ny fahanginany ny Collectif des Professeurs Titulaires et Professeurs
des Universites publiques de Madagasikara manoloana ny teny nataon’ny Talen’ny Seraseran’ny Fiadiaian’ny Repoblika sady mpitondra tenin’ny Filoham-pirenena Rtoa Lova Ranoraro ny 11 aogositra 2025 manao hoe : « (…) Mampalahelo amin'izao fotoana izao fa tsy misy intsony izany Profesora tena hoe mahay (NDLR: Profesora Malagasy). Notsiahivin’io Vondron’ny profesora io fa: Tamin’ity taona 2025 ity, Profesora Malagasy iray sy ny ekipany no nahazo ny loka iraisam-pirenena Indianapolis 2025, mari-pankasitrahana manamarina ny fahaiza-manaony amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Nisy fankasitrahana ofisialy avy amin’ny Minisitera Malagasy voakasika, manamafy ny lanjan’ny zava-bitany. Taona vitsivitsy lasa, Profesora Malagasy iray nahazo loka maneran-tany momba ny marika na matematika, porofon’ny fahaiza-manaon’ny mpampianatra Malagasy. Tamin’ny herinandro lasa, masoivoho vahiny iray nanolotra mari-pankasitrahana noho ny asa manan-danja nataon’ny Profesora Malagasy misehatra amin’ny Ambaratonga Ambony. Misy asa fikarohana manan-danja natao, toy ny: Fikarohana momba ny areti-koditra nahazo loka iraisam-pirenena ; Fahitana karazan-javamananaina vaovao eto Madagasikara, efa navoaka tamin’ny gazety siantifika iraisam-pirenena. Tsy ho voatanisa eto avokoa, hoy izy ireo, ireo nampisongadina ny Profesora Malagasy eo amin’ny seha-pirenena sy maneran-tany, ka ialana tsiny amin'ireo namana raha tsy voatanisa ao anatin'ireo ohatra vitsivitsy ireo avokoa ny zava-bita rehetra. « Sahinay ny milaza fa tsy vitsy ireo Oniversite any ivelany no miady sisika mba hiara-miasa sy haka traikefa amin'ny Profesora Malagasy, hany ka manasa azy ireo hampianatra any aminy mihitsy aza. Taloha'ny taona 2000 dia mbola voatery niampita any ivelany vao afaka manomana doktorat sy HDR, ankehitriny kosa vita tsara eto an-toerana izany amin'ny alalan'ny fitarihan'ny Profesora Malagasy anaty sekoly doktoraly miparitaka eny amin'ny oniversitem-panjakana. », hoy hatrany ny Vondron’ny Profesora. Naneho noho izany izy ireo, fa raha ireo santionan'ny famirapiratan'ny Profesora Malagasy sy amin'ny mpanofana Olombelona Mahay (capital humain compétent), ireo fotsiny no tarafina, izay toa volamena nalatsaka am-bovoka hatreto, dia tohina tanteraka izahay ato amin'ny Fivondronam-ben'ny Profesora misehatra amin'ny Oniversitem- panjakana manoloana ny teny diso naloaky ny vavan'io Tompon'andraiki-panjakana mitondra tenin'ny Fiadidiana ny Repoblika io. Nomarihin’izy ireo ny tokony hanadihadiana lalina momba ny sehatry ny fampianarana ambony misy eto Madagasikara raha te-hiresaka momba izany. Takian’izy ireo ny fanitsiana sy fialan-tsiny ampahibemaso amin’ny fianakaviamben’ny Profesora Malagasy. Tsy ho fitadiavam-boninahitra no anton’ny fanambarany, fa ho fanitsiana ny diso sy ho fanajana ny hasin’ny asa Mpampianatra Mpikaroka...
Toky R
Sary fanehoana
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.