Nanao fanambaràna omaly ny Vondron’ny mpanabe
mijoro miasa eo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena na VMM-MEM manerana an’i Madagasikara fa miondrika am-panajàna manoloana ny maty sy ny naratra tao anatin’izao tolom-bahoaka izao izy ireo ary manohana feno izany. Miady ho an’ny tombontsoan’ny firenena sy ny fanabeazana izany, hoy izy ireo. Manameloka ny herisetra atao amin’ny olona maneho ny heviny am-pilaminana. Ireto fitakiana manaraka ireto dia nanomboka ny taona 2018 no tsy nahitàm-bahaolana mandrak’androany. Aiza ny fandraisana mpiasa na «recrutement» miisa 15000 tamin’ny 2023? Very an-javony! 2024, tsy hita! Ny 2025, aiza? Raha io 2023 io fotsiny, no natao dia tsy tokony hisy ny olan’ny CRINFP, ENS ary ny FRAM amin’izao fotoana izao. Takianay mpiasan’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena, mpampianatra sy mpandraharaha, ny hampiakarana ny «indemnité de logement» na ny saram-ponenana ho 309.000 Ariary, mitovy amin’ny mpiasam-panjakàna hafa rehetra. Takiana ny fandoavana ny «vacation» na asan-tseliky ny mpiasam-panjakàna rehetra toy ny CEPE, BEPC, CAP, CAE, BEP, Bakalorea anaty 2 herinandro, fara faha tarany hahavitàn’ny fanadinana ka hatsangana ato amin’ny minisitera ny «guichet unique» na tahirim-bola tokana hanatanterahana izany. Takiana ny fampiharana ny sanda na «grille» vaovao, ny PTF ho 150.000 Ariary isan’andro eto amin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena mahakasika ireo «indemnité de mission» na tambin-karama manao iraka amin’ireo hetsika vatsian’ny PTF vola rehetra. Tsy ekena ny fampidirana ny firehana politika ao amin’ny fanabeazam-pirenena. Takiana ny fanomezana ny «indemnité de craie» na saran’ny tsaoka, araka ny «rubrique 532», ho an’ny mpiasan’ny fanabeazam-pirenena rehetra tsy an-kanavaka PEPA ary ampiakarina ho 100.000 Ariary. Takiana, araka ny lalàna, ny ampiharana tsy mitanila ny fangatahan’ny mpiasan’ny fanabeazam-pirenena ny famindràn-toerana ka ny DRH na ny fitantanana ny mahaolona sy ireo rantsa-mangaikany any amin’ny CISCO sy DREN ihany no manatanteraka izany. Takiana ihany koa ny hisian’ny rafi-pampianarana mazava sy eken’ny rehetra. Tsy miovaova fa azo atsaraina isaky ny 5 taona ary tokony atao anaty lalàna fototra izany. Olona niasa 10 taona tato amin’ny minisiteran’ny fanabeazana, mahalala tsara ny mpanabe sy ny tontolon’ny fanabeazana no tendrena ato anatin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena. Manentana ny mpanabe rehetra manerana an’i Madagasikara hanamafy ny tolona iombonana. Esorina hatramin’ny fakany ny forongon’ny mpitondra moana sy marenina misy amin’izao! Nandritry ny 4 taona tsy nisy fisondrotany ihany koa ny karaman’ny mpiasam-panjakàna. Inona izany no ilazàn’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena fa mandeha araka ny tokony ho izy ny zava-drehetra ao amin’io minisitera io? Mitombona ny tolom-bahoaka misy amin’izao fotoana izao ary io no mamaha olana, hoy hatrany ny VMM-MEN.
Nangonin’i J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.