Fampianarana

Vondron'ny Sekoly tsy miankina "Tsara kokoa raha ahemotra ny datim-panadinana"


  • Alarobia 29 Aprily 2020

Niato nandritra ny iray volana ny fampianarana teto amintsika noho ny fametrahana ny fahamehana ara-pahasalamana.

 

 

 Noho izany, nangataka ireo sekoly tsy miankina ny hanemorana ny fanadinam-panjakana sy fetra farany fandraisana ny taratasy fisoratana anarana ho amin`izany. 20 andro hatramin` ny iray volana ny fetr-andro angatahin` izy ireo amin`ny ministeran` ny fanabeazam-pirenena mba hahatomombana ny fikarakarana izany fanadinana izany. Efa nisy ny fifampidinihana amin` ireo mpandraharaha ara-tsekoly ka nampivondrona izao hevitra izao mba ho lasa fanapahan-kevitra ho iray, hoy Marcelin Tsaradia, filohan` ny ofisy nasionaly hivondronan` ny sekoly tsy miankina. “Voaresaka tao anatin` izany ny fanadinana. Raha ny vinavina dia tokony miroso amin` izay fanemoranana izay. Misy daty nieritreretina fa tsy mbola ofisialy. Misy pitsopitsony maro arahina amin`ny fanatanterahana ny fanadianam-panajakana. Maro ireo zavatra nikatsoa noho ny fihibohana toy ny fanomanana laza adina.” Raha tsiahivina dia manodidina ny 15 200 ireo sekoly tsy miankina manerana ny nosy ka ao anatin` izany avokoa ireo ambaratonga rehetra.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT