Voka-pikarohana

Tanora Malagasy Nahavita tafo mahazaka hafanana 600°C


  • Talata 29 Aogositra 2023

Olana ho an'ireo mpanamboatra trano eto amintsika amin'ny ankapobeny ny hatezan'ny fitaovana hampiasaina toy ny tafon-trano...

Misy vao 2 taona mantsy ny an'ny sasany dia efa goaka sy harafesina nefa mbola tena lafo dia lafo ihany koa ny vidiny. Efa vidiana 50.000 Ar ny mora indrindra amin'ny raviny iray amin'izao eny an-tsena eny nefa mbola tena manify ihany koa. Niainga avy amin'izany no nanosika ireo mianatra eo anivon'ny sekoly ambony ISPM eny Antsobolo taona voalohany hanao fikarohana mifandraika amin'izany. Amin'ny alalan'ny caoutchou no fanamboarany io tafon-trano vaovao io izay maharitra 50 taona ary mahazaka hafanana hatramin'ny 600°C. Nambaran-dRandrianarivelo Mathieu anisan'ireo mpianatra nanao ny fikarohana fa natao izao mba hanamaivanana ireo mpanao trano indrindra amin'izao fidangan'ny vidin'ny kojakoja ilaina amin'ny fanamboaran-trano izao vokatry ny fiakaran'ny vidim-piainana. Eny amin'ny Ispm Antsobolo ihany izy ireo no mampiranty sy mampahafantatra izany, varavarana misokatra nifarana omaly rehefa maharitra 4 andro. Trano efa manodidina ny 170 isa no mandray anjara amin'izany izay an'ireo mpianatra ao amin'ny taona voalohany avokoa. Ankoatra io voalaza io dia misy ihany koa ireo nanamboatra moto électronique, ny Sambo mandeha tsy misy mpamily eny ambony rano... Nambaran-dRazafindrahety Aimée tompon'andraikitra ara-bola eo anivon'ity sekoly ambony iray ity fa tena samy hafa mihitsy ny mpianatra vao afaka baka sy ireo efa manaraka fiofanana eny amin'ny sekoly ambony. Vao10 volana monja mantsy dia efa mahita vokatra sahady ny mpianatra iray. Miantso ireo tanora mpianatra mba hiezaka fa tsy ho variana fotsiny araka izany ity tompony andradite Ity. Ny fiakaran'ny mantsy ny lova tsara indrindra hoy hatrany izy.
Pati
Légende : Ireo izy 5 mianadahy nanao ny fikarohana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

  • Jean Pierre Rakotoniaina
  • Zoma 27 Martsa 2026

«Tsy asa fampianarana fotsiny ny fanabeazana»

Hijery ny tohiny
FTT