VOKA-PANADINANA CEPE

Mety hivoaka amin’ny faran’ny herinandro


  • Zoma 21 Jona 2024

Mety hivoaka amin’ny faran’ny herinandro izao ny voka-panadinana CEPE eto amintsika raha

ny loharanom-baovao azo omaly. Manodidina ny 50%-n’ny asa fitsarana eo ho eo no efa vitan’ireo mpitsara hatramin’ny omaly Alakamisy 20 Jona hoy hatrany ity loharanom-baovao ity. Tamin’ny ankapobeny dia ny taranja kajy sy ny laza olana ary ny Frantsay no tena olan’ireo mpiadina. Nisy latsaka ambiny mihitsy ny naotin’ireo mpiadina noho izany toy ny hita tany amin’ny Faritany. Na izany aza nisy mpiadina tena nahay kosa hoy hatrany ity loharanom-baovao ity. Nanomboka afak’omaly Alarobia 19 jona moa ny fitsarana ny taratasim-panadinana CEPE 2024 manerana ny DREN miisa 23 mandrafitra an'i Madagasikara, raha tsiahivina. Mizotra am-pilaminana izany ary namafisina hatrany ny fepetra hiatrehana ny fitsarana mba hivoahan'ny voka-panadinana marina sy faran'izay haingana. Mpiadina miisa 529 635 moa no niatrika ny fanadinana CEPE nanerana ny Nosy, izay mitsinjara amin’ny ivon-toeram-panadinana 2057. Miisa 99 amin’izy ireo no manana fahasembanana.
Pati
Legende : Miasa mafy tahaka izao ireo mpitsara ny fanadinam-panjakana CEPE !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT