VOKA-PANADINANA BEPC

« Miankina amin’ny isan’ny mpiadina ny hanafainganana izany »


  • Talata 02 Jolay 2024

Tontosa omaly Alatsinainy 01 Jolay ny andro voalohany niatrehan’ireo mpiadina miisa 299.130 i

sa manerana ny Nosy ny fanadinam-panjakana BEPC taona 2024. Tonga nanokatra tamim-pomba ofisialy ny laza adina voalohany tetsy amin’ny Lisea Maoderna Ampefiloha ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena mpisolo toerana, Pr Randriamanantany Zely Arivelo, ary nizara izany tamin’ireo mpiadina. Nandritra izany no nanentanany indray ireo mpiadina tsy hanadino ireo taratasy sy ireo fitaovana ilaina mandritra ny fanadinana. Nampitany hafatra ihany koa ireo ray aman-dreny mba tsy ho tafajoboka ao anatin’ny fandrik’ireo milaza fa nahita laza adina. Nirary soa ireo mpiadina koa ny Minisitra mpisolo toerana hahatanteraka hatramin’ny farany ny fanadinana, izay haharitra 04 andro, ary nampahery ireo tompon’andraikitra rehetra isan-tsokajiny nikirakira ny handavorariana ny fanadinana BEPC 2023-2024.Nanambara ihany koa fa arakaraka ny isan’ny mpiadina isaky ny ivon-toeram-panadinana no hanafainganana ny fotoana hivoahan’ny valim-panadinana aorian’ny fahavitan’ny fitsarana ireo taratasim-panadinana. Tombanana ho tapa-bolana aorian’ny fitsarana ny fanadinana eo ho eo izany.
Pati
Legende : Omaly nandritra ny fitsidihana ireo mpiadina niatrika ny fanadinam-panjakana BEPC nataon’ny Ministra sy ny ekipany !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT