VOKA-PANADINANA BEPC

Distrika 13 isa no efa namoaka izany


  • Alatsinainy 08 Jolay 2024

Tena haingana ny fivoahan’ny voka-panadinana BEPC tamin’ity taona 2024 ity.

Raha saika amin’ny faran’ny herinandro avokoa mantsy no noeritreretin’ny rehetra dia efa nivoaka tamin’ny faran’ny herinandro ny ampahany tamin’izany izay notsindrian’ny Ministry ny Fanabeazam-pirenena mpisolo toerana fa miankina tanteraka amin’ny isan’ny mpiadina. Distrika miisa 13 hatramin’ny omaly Alahady 07 Jolay no efa namoaka izany nahitana an’Andramasina izay nahazoam-bokatra 74,16%. Teo koa ny distrikan’Iakora izay nahafaka mpiadina 64,35%, Ambatomainty: 73,37%, Mandoto : 80,42%, Ambohidratrimo: 60,71%, Ambatolampy: 76,53%, Manjakandriana : 78,40%, Befotaka: 71,43%,Kandreho: 84,06%, Besalampy: 42,92%, Ikalamavony: 64,47%, Midongy: 77,50% ary Faratsiho: 69,46%. Hivoaka manaraka tsikelikely amin’ity herinandro ity kosa ireo vokatra ambiny avy amin’ireo distrika an-jatony hafa.
Pati
Legende : Nafotaka tahaka izao ny fijerena ny vokatra tany amin’ny distrikan’i Faratsiho tany !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT